Jeremià

Toko faha-44

1 Nisy hafatra tonga tamin'i Jeremia ho an'ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tananan'i Migdola sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin'ny faritanin'i Patrosa. Ka hoy i Jeremia taminy:

2 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Hitanareo ny loza rehetra izay nampihariko tamin'i Jerosalema sy ireo tanana hafa rehetra tany Joda. Ankehitriny ireny dia efa lao sady tsy misy mponina intsony ao aminy,

3 satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin'ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin'ny razanareo akory izy.

4 Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny.

5 Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin'ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin'ireo andriamani-kafa.

6 Koa natosako taminareo ny fahavinirako sy ny fahatezerako, ka nandoro ny tananan'i Joda sy ny lalamben'i Jerosalema; eny, rava sy mampahonena ireny araka izay hita amin'izao androizao."

7 Dia notohizan'i Jeremia hoe: "Ary ankehitriny dia izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Ahoana no dia anaovanareo ratsy lehibe hahavoa ny tenanareo? Moa tianareo haringana avokoa angaha ny vahoakan'i Joda mba tsy hisy sisa tavela na lehilahy na vehivavy na tanora na zaza madinika?

8 Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin'ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an'ireo andriamani-kafa ao amin'ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin'ny firenen-kafa rehetra eran-tany!

9 Hadinonareo angaha ireo ratsy nataon'ny ray aman-dreninareo, nataon'ny mpanjaka sy ireo mpitondran'i Joda ary nataon'ny tenanareo sy ny vadinareo tao amin'ny tanin'i Joda sy teny an-dalamben'i Jerosalema?

10 Mandraka androany dia tsy mbola nisy na iray aza nanenina na nanaja Ahy ka nanaraka ny lalanako sy ny fitsipiko izay nomeko anareo sy ny razanareo."

11 Ary nofaranan'i Jeremia hoe: "Noho izany, dia izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin'i Joda rehetra.

12 Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin'io tany io no hahalavo any sy hahalany ritra azy amin'ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazan-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.

13 Hirotsaka an-tsehatra hamely izay monina any Ejipta Aho, tahaka izay namelezako ny mponina tao Jerosalema tamin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

14 Ary ireo Jodeanina sisa tavela izay tonga hialokaloka tany Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra na mitsoaka, tsy hisy ho tafaverina any Joda izay niriny fatratra hiverenana mba honenana; tsy hisy hiverina any Joda ireo, afa-tsy izay vitsivitsy nieren-doza ihany."

15 Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an'ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:

16 -Na dia amin'ny anaran'ny TOMPO aza no ilazanao aminay izany teny izany, dia tsy hihaino anao izahay.

17 Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an'ny andriamanibavy Hastoreta mpanjakavavin'ny lanitra, tahaka izay efa nataon'ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin'ireo tananan'i Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin'izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.

18 Nefa hatramin'izay tsy nanoloranay fanatitra zava-manitra mifangaro sy divay ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izay, dia tsy manana na inona na inona intsony izahay sady matin'ny ady sy ny mosary.

19 Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe:-Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an'i Hastoreta mpanjakavavin'ny lanitra izahay, moa tsy neken'ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.

20 Ary hoy i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra, dia ireo lehilahy sy vehivavy izay namaly azy teo:

21 -Moa tsy efa nanolotra ireny fanatitra ireny tany an-tananan'i Joda sy teny an-dalamben'i Jerosalema tokoa ve ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ny mpanjakanareo sy ny mpitondra anareo mbamin'ny sarambabem-bahoaka? Koa heverinareo va fa tsy hitan'

22 Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.

23 Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an'ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin'ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalanany sy ny didiny ary ny fampitandremany.

24 Ary hoy koa i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra teo, indrindra tamin'ny vehivavy rehetra teo: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo Jodeanina rehetra aty Ejipta.

25 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Ny anareo vehivavy manokana, izay voalazanareo dia tanterahinareo; ka nilaza ianareo fa hanefa ny voady nataonareo tamin'i Hastoreta mpanjakavavin'ny lanitra ary hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho azy. Koa efao ny voadinareo ary ataovy izay efa nampanantenainareo!

26 Kanefa henoy tsara kosa izay ambarako aminareo, ry Jodeanina rehetra izay monina aty Ejipta, fa Izaho TOMPO no miteny izao: Indro mianiana amin'ny tenako Aho fa tsy hisy lehilahy jodeanina intsony manerana an'i Ejipta, hanonona ny anarako hoe: "Velona ny Tompo ANDRIANANAHARY, ka mianiana aho...!"

27 Indro himasoako aminareo ny hahatonga loza fa tsy soa. Koa ny Jodeanina rehetra izay aty Ejipta dia ho ringan'ny ady sy ny mosary mandra-pahalany ritra azy.

28 Olom-bitsy no afaka hitsoaka amin'ny ady sy hiverina avy aty Ejipta ho any amin'ny tanin'i Joda. Koa izay sisa velona rehetra amin'ny Jodeanina tonga nialokaloka taty Ejipta dia hahafantatra izay ho to teny na Izaho na izy.

29 Eto amin'ity toerana ity indrindra no hirotsahako an-tsehatra, hoy ny teny hentitra ambarako, ka hanomezako famantarana ho anareo. Ho fantatrareo amin'izay fa ho tanteraka tokoa ny loza nambarako taminareo.

30 Ary izao lazaiko izao no famantarana: Indro hatolotro eo an-tanan'ireo fahavalo mitady hahafaty azy ny Farao Hofra mpanjakan'i Ejipta tahaka izay nanolorako an'i Tsedekia mpanjakan'i Joda ho eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izay fahavalo nitady hahafaty azy."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057