Jeremià

Toko faha-29

1 Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremia mpaminany ho an'ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin'ireo vahoaka rehetra izay nentin'i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilona. Ny nandefasana io taratasy io

2 dia fony niala tao Jerosalema i Jekonia mpanjaka sy ny renin'ny mpanjaka, ireo tandapa sy ireo mpiasam-panjakana ambony tao Joda sy Jerosalema mbamin'ireo mpahay taozavatra sy mpahay taovy.

3 Fa i Tsedekia mpanjakan'i Joda efa naniraka an'i Elehasa, zanakalahin'i Safana sy an'i Gemaria zanakalahin'i Hilkia hankany Babilona ho any amin'i Nebokadnetsara mpanjaka. Koa nampitondrain'i Jeremia azy roa lahy ny taratasy milaza hoe:

4 "Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, ho an'izay rehetra natolony ho babo avy tao Jerosalema ho any Babilona:

5 Manorena trano ho anareo ka ipetraho; voleo ny tanimboly ka hano izay vokatra avy aminy."

6 Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!

7 Katsaho izay hampisy fiadanana any amin'ny tanana izay nandefasako anareo ho babo, ka mivavaha amiko ho azy, fa arakaraky ny hampiadana azy no hiadananareo koa."

8 Izao koa no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr'i Israely: Aza manaiky ho fitahin'ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.

9 Fa mihambo ho maminany amin'ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO."

10 Izao koa no lazain'ny TOMPO: Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan'i Babilona, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.

11 Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Ho avy azo antoka no homeko anareo.

12 Amin'izay raha miantso Ahy ianareo ka mivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.

13 Raha mikatsaka Ahy ianareo, dia hahita Ahy. Izaho TOMPO dia manao teny hentitra aminareo hoe: Raha tadiavinareo amin'ny fonareo manontolo Aho,

14 dia hanaiky ho hitanareo. Hanova izay manjo anareo Aho , ka havoakako avy any amin'ny firenen-kafa ianareo. Hangoniko ianareo ka haveriko eto amin'ny toerana izay nandefasako anareo ho babo, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO.

15 "Noho ianareo mihambo ho nananganan'ny TOMPO mpaminany aty Babilona,

16 Ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay mbola mipetraka eto Jerosalema, izany hoe ireo mpiray firenena tsy mba nentina ho babo niaraka taminareo, dia izao no lazain'ny TOMPO,"

17 izao no ambaran'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Handefa ady sy mosary ary areti-mandringana hamely azy Aho. Hataoko tonga tahaka ny aviavy lo izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

18 Hoenjehiko amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany raha mahita azy. Any amin'ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia ho raisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;

19 satria tsy nohenoiny akory izay nolazaiko taminy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy nitsahatra nandefa ireo mpaminany mpanompoko tany aminy Aho, fa tsy nihaino ireny izy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO."

20 "Ianareo kosa, ry babo rehetra izay nasain'ny TOMPO nentina avy eto Jerosalema hankaty Babilona, mihainoa ny tenin'ny TOMPO.

21 dia izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely ny amin'i Ahaba zanakalahin'i Kolaia sy ny amin'i Tsidekia, zanakalahin'i Mahaseia: Na dia mihambo haminany amin'ny anarako aza izy roa lahy, dia mpilaza lainga. Indro hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izy ka hampamonoiny ho faty eo imasonareo."

22 Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo aty Babilona dia hampiasa ny anaran'izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon'ny TOMPO tahaka izay nanjo an'i Tsidekia sy i Ahaba izay nodoran'ny mpanjakan'i Babilona tamin'ny afo anie ianao!

23 Hihatra amin'izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin'i Israely; fa naka ny vadin'ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin'ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho Tompo kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon'izany, hoy ny teny hentitra avy amiko."

24 Ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely no nanainga an'i Jeremia mpaminany hilaza hafatra ny amin'i Semahia avy any Nehelama.

25 Fa io Semahia io efa nandefa taratasy tamin'ny anaran'ny tenany ihany ho an'i Tsefania mpisorona, zanakalahin'i Mahaseia ary koa ho an'ireo mpisorona hafa sy ho an'izay vahoaka rehetra tafajanona tao Jerosalema; ka nanoratra tamin'i Tsefania izy nanao hoe:

26 "satria ny TOMPO efa nametraka anao ho mpisorona hisolo an'i Joiada, dia ianao no mpiandraikitra ny tranon'ny TOMPO ka tokony hanara-maso izay rehetra misary adala milaza azy ho mpaminany sy hampamatotra azy amin'ny gadra vy na rojo vy.

27 Nahoana ary ianao no tsy nihetsika nanohitra an'i Jeremia avy any Hanatota, izay mihambo haminany aminareo?

28 Koa hadisoanao mihitsy raha toa izy afaka nandefa taratasy taty aminay aty Babilona mba hilaza aminay fa hijanona maharitra ho babo aty izahay. Nasainy hanorina trano aza izahay mba hipetrahanay ary nasainy hamboly zaridaina mba hihinananay ny vokatra avy aminy."

29 Nefa novakin'i Tsefania tamin'i Jeremia ilay taratasy.

30 Koa nisy baikon'ny TOMPO tamin'i Jeremia nanao hoe:

31 Maniraha ho any amin'ireo babo mba hiteny aminy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'i Semahia avy any Nehelama: Mihambo ho mpaminany aminareo i semahia nefa Izaho tsy naniraka azy akory. Satria mampiantehitra anareo amin'ny lainga izy,

32 dia Izaho TOMPO no manamafy fa hirotsaka an-tsehatra hamely an'i Semahia sy ny taranany Aho: Tsy hisy na iray aza amin'ny fianakaviany ho tafajanona eo anivonareo mba hahita ny soa hataoko amin'ny vahoakako; satria nanosika anareo vahoakako hikomy amiko TOMPO izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562