Jeremià
Toko faha-7
1 Nisy baiko avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremia ka nandidy azy2 hitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo olon'i Joda rehetra izay miditra amin'ity vavahady ity mba hivavaka amin'ny TOMPO.
3 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Ahitsio tsara ny fitondrantenanareo sy ny fanaonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.
4 Aza miantehitra amin'ny teny fitaka hoe: "Eto no tempolin'ny TOMPO, eto no tempolin'ny TOMPO, eto tokoa no tempolin'ny TOMPO!"
5 Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin'ny olona eo amin'ny fitsarana;
6 aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra tena; atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin'ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo.
7 Dia hamponeniko eto ianareo, eto amin'ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.
8 "Kanefa teny fitaka sy tsy misy lanjany akory no ianteheranareo.
9 Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an'i Bahala ary mifikitra amin'ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?
10 Nefa ianareo mbola miseho eo anatrehako eto amin'ity trano izay natokana ho Ahy ity ihany ka manao hoe: Voavonjy izahay""; ary avy eo dia tohizinareo indray ireo asa rehetra maharikoriko ireo."
11 Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy ve ity trano izay natokana ho Ahy ity ? Fa izany no fahitako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
12 "Mankanesa any amin'ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian'ilay Israely vahoakako.
13 Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.
14 Noho izany ity trano izay natokana ho Ahy ity, ity trano izay ianteheranareo ity, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity dia hataoko tahaka ny nanaovako an'i Silao.
15 Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraima. "
16 "Ianao kosa, ry Jeremia, aza mivavaka amiko ho an'ity vahoaka ity intsony na mampakatra fitarainana sy fifonana ho azy, fa tsy hihaino anao Aho.
17 Tsy hitanao angaha izay ataony any amin'ireo tananan'i Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema?
18 Ny ankizy mifako kitay, ny rainy mandrehitra afo, ny vehivavy kosa mametafeta koba hatao mofo hatolotra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra ; manao izay mahasosotra Ahy ireo fa manolotra fanatitra divay ho an'ny andriamani-kafa.
19 Koa mampahasosotra Ahy tokoa ve izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Tsia, fa ny tenany ihany no ampahasosoriny, ka hampahamenatra azy izany."
20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: "Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin'ity tanana ity, amin'ny olona sy ny biby fiompy, ary amin'ny hazo eny an-tsaha sy amin'ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany."
21 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Ny henan'ny sorona dorana manontolo dia ampio ny henan'ny sorom-pihavanana nataonareo, ka mahereza mihinan-kena.
22 Fa raha nitondra ny razanareo niala tany Ejipta Aho, dia tsy nilaza taminy akory na nangataka azy hanao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.
23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalana izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.
24 Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran'ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.
25 Hatry ny nialan'ny razanareo tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra Aho naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra tany aminareo isan'andro tsy tapaka.
26 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo sady tsy niraharaha Ahy fa nanamafy hatoka sy nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza.
27 "Ary ianao, ry Jeremia, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy.
28 Koa ambarao aminy hoe: Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon'ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany."" "
29 Hoy ny TOMPO hoe: "Ry vahoakan'i Joda, hetezo ka ario ny volo lava izay marika fa voatokana ho Ahy ianareo. Manaova hira fisaonana eny amin'ny havoana mangadihady; fa hariako sady holaviko ianareo, satria taranaka mahatezitra Ahy.
30 "Nanao izay ratsy eo imasoko ny vahoakan'i Joda, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Nametraka sampy maharikoriko tao amin'ny trano izay natokana ho Ahy izy, ka nandoto azy.
31 Nanorina toeram-panasinana atao hoe Tofeta tao amin'ny lohasahan'i Hinoma izy mba handoroany ho sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany, sady tsy mba tonga tao am-poko velively.
32 Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, indro avy ny andro izay tsy hilazana intsony hoe ""Tofeta"" na ""Lohasahan'i Hinoma"" fa ""Lohasaha Famonoana"". Ao no handevenana ireo maty fa tsy misy toerana intsony any an-kafa."
33 Ny fatin'ireo olona ireo dia ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.
34 Ary eny an-tanan-dehiben'i Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin'ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran'ireo mpanambady satria ho lao ny tany.