Jeremià
Toko faha-40
1 Ary tonga tamin'i Jeremia indray ny teny avy amin'ny TOMPO taorian'ny namotsoran'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina azy hiala tao Rama. Fa nigadra niaraka tamin'ny olon'i Jerosalema sy ny olon'i Joda izay efa hoentin-kobabo any Babilona i Jeremia.2 Teo izy no nalain'ny lehiben'ny mpiambina ka nilazany hoe: "Ny TOMPO Andriamanitrao no nanambara mialoha izao loza manjo ity tanana ity izao.
3 Ary ankehitriny dia notanterahin'ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4 Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilona, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany,dia mijanona. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehana amin'izay toerana tianao haleha."
5 Ary raha mbola nihazohazo teo i Jeremia,dia hoy i Nebozaradana taminy: "Mahazo miverina any amin'i Gedalia, zanakalahin'i Ahikama sy zafikelin'i Safana ianao, fa izy no voatendrin'ny mpanjakan'i Babilona hitondra ireo tananan'i Joda. Mipetraha miaraka aminy eo anivon'ny vahoaka,ka mandehana amin'izay toerana tianao haleha."Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana i Jeremia, ary navelany handeha.
6 Ary i Jeremia nankany amin'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama tao Mitsepa, ka niara-nipetraka taminy teo anivon'ny vahoaka izay sisa velona teo amin'ny tany.
7 Mbola nisy andia-miaramila jodeanina tavela tany an-tsaha; henon'ireo lehibeny sy ireo olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babilona efa nanendry an'i Gedalia, zanakalahin'i Ahikama hitondra ny tany sy nanankina taminy ny mahantra, dia izay lehilahy sy vehivavy ary ankizy tsy nentina ho babotany Babilona.
8 Koa nanatona an'i Gedalia tao Mitsepa niaraka tamin'ny olom-peheziny ary ireo lehiben'andia-miaramila ireo, fa ireto avy izy: i Jismahela zanaka lahin'i Netania, i Johanana sy i Jonatana samy zanakalahin'i Karea, i Seraia zanakalahin'i Tanehometa, ireo zanakalahin'i Hofay avy any Netofa, ary i Jazania avy any Maheka.
9 Dia nanizingizina tamin'ireo sy tamin'ny olom-peheziny i Gedalia nanao hoe: "Aza matahotra hanompo ny Babilonianina ianareo; monena amin'ny tany ary maneke ny mpanjakan'i Babilona, fa hahasoa anareo izany.
10 Hipetraka eto Mitsepa aho mba hisolo tena anareo eo anatrehan'ny Babilonianina izay tonga eto amintsika; fa ianareo kosa manangona divay sy voankazo ary diloilo ka manaova tahiry, ary monena amin'izay tanana hidiranareo."
11 Tahaka izany koa ireo Jodeanina nitoetra tany amin'ny Moabita sy ny Hamonita sy ny Edomita ary tany amin'ny faritra rehetra hafa, dia samy nahare fa misy ampahany amin'ny vahoaka navelan'ny mpanjakan'i Babilona ao amin'ny fanjakan'i Joda ary nankininy tamin'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama sy zafikelin'i Safana.
12 Koa ireny Jodeanina rehetra ireny dia niverina avy any amin'ny toerana izay nandroahana azy, ka tonga tany amin'i Gedalia tao Mitsepa, any amin'ny tanin'i Joda. Dia nanangona divay sy voankazo be dia be ireny.
13 Indray andro dia tonga nihaona tamin'i Gedalia tao Mitsepa i Johanana zanakalahin'i Karea sy ireo olon-kafa lehiben'ny andia-miaramila izay mbola tany an-tsaha.
14 Nanontany an'i Gedalia izy hoe: -Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan'ny Hamonita, dia naniraka an'i Jismahela, zanakalahin'i Netania, hamono anao?Nefa tsy nino azy i Gedalia.
15 Na izany aza dia tonga nihaona mangingina tamin'i Gedalia tao Mitsepa ihany i Johanana ka nanao taminy hoe: -Aoka aho handeha hamely an'i Jismahela, zanakalahin'i Netania fa tsy hisy olona hahalala akory. Nahoana no havelanao hovonoiny ho faty ny tenanao? Fa raha matiny ianao, dia hiparitaka indray ny Jodeanina rehetra efa tafangona eto aminao; ary izay hany sisa amin'ny fanjakan'i Joda dia ho levona.
16 Nefa namaly an'i Johanana i Gedaliaka nanao hoe: -Aza manao izany zavatra izany! Fa tsy marina izay voalazanao momba an'i Jismahela.