Jeremià

Toko faha-47

1 Hafatry ny TOMPO izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina , talohan'ny hamelezan'ny Farao an'i Gaza.

2 Izao no lazain'ny TOMPO: "Misy ranotrambo mipoitra avy any avaratra , ary tonga ranon-driaka misamboaravoara ka manafotra ny tany sy izay rehetra eo aminy, dia ireo tanana sy ny mponina ao aminy. Mikiakiaka ny olona; ary manao hira fitarainana ny mponina rehetra amin'ny tany.

3 Mikatrokatroka ny kitron'ireo soavaly matanjaka mirodorodo ny kalesy ary mikotrokotroka ny kodiarany; ka manadino zanaka ny ray aman-dreny satria efa miraviravy tanana.

4 Tonga ny andro fandravana ny Filistinina rehetra, hany ka tsy misy olona sisa tavela intsony mba hanampy an'i Tiro sy i Tsidona. Ravan'ny TOMPO tokoa ny Filistinina, dia ireo sisa velona avy any amin'ny nosy Kaftora.

5 Voaharatra ny lohan'ny ao Gaza fa misaona ary mangina tanteraka ny ao Askelona. Ianareo sisa tamingan'ny rapetonolona, mandra-pahoviana ianareo no hiteti-tena ?

6 Hoy ianareo hoe: "Indrisy ry sabatry ny TOMPO, tsy mba hiato mihitsy ve ianao? Midira ao anaty tranonao, miala voly ka mijanona."

7 Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an'i Askelona sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557