Jeremià

Toko faha-32

1 Nisy torolalana avy amin'ny TOMPO ho an'i Jeremia tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona.

2 Ny tafika babilonianina tamin'izay dia nanao fahirano an'i Jerosalema; ary i Jeremia mpaminany dia nogadraina tao an-dapan'ny mpanjakan'i Joda, tao an-kianja fiambenana.

3 I Tsedekia no nampanidy an'i Jeremia tao satria nanome tsiny ity mpaminany izy tamin'ny nanambarany ny hafatry ny TOMPO hoe: "Hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona i Jerosalema ka ho lasany.

4 Ary na dia i Tsedekia mpanjakan'i Joda aza dia tsy ho afa-mitsoaka amin'ny Babilonianina fa hatolotra tokoa amin'ny mpanjakan'i Babilona. Tsy maintsy hiseho eo anatrehan'i Nebokadnetsara izy ka hifandahatra aminy mivantana.

5 Dia ho entina any Babilona i Tsedekia, ka hijanona any saingy ho karakaraiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa na dia hanohy hiady amin'ny Babilonianina aza ianareo, dia tsy haharesy azy."

6 Kanjo nitantara i Jeremia fa nisy hafatry ny TOMPO ho azy nanao hoe:

7 -Ho avy any aminao i Hanamela, zanakalahin'i Saloma rahalahin-drainao momba ny sahany ao Hanatota. Hiangavy anao izy mba hividy io saha io, satria ianao no havany akaiky ka manan-jo hanavotra hividy azy.

8 Araka izay nolazain'ny TOMPO, dia tonga tany amiko tao an-kianja fiambenana tokoa i Hanamela zana-drahalahin-draiko, ka niteny tamiko hoe:-Tokony hovidinao ny sahako izay ao Hanatota ao amin'ny tanin'i Benjamina, fa ianao no havako akaiky ka manan-jo hanavotra sy hanana azy. Koa fantatro tamin'izay fa ny TOMPOtokoa no efa niteny tamiko.

9 Dia novidiko tamin'i Hanamela zana-drahalahin-draiko ny sahany tao Hanatota ary naloako ny vidiny, dia sekela volafotsy fito ambin'ny folo.

10 Nataoko dika roa mitovy ny taratasy fivarotana. Teo imason'ny vavolombelona no nohidiko tamin'ny tombo -kaseko ny dikan'ny taratasy fifampivarotana iray ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny lanjan'ny volafotsy.

11 Avy eo dia nalaiko ny dikan'ny taratasy fifampivarotana vita tombokase araka izay notakin'ny lalana sy ilay dika iray misokatra,

12 ka natolotro an'i Baroka , zanakalahin'i Neria sady zafikelin'i Mahaseia, teo imason'i Hanamela zana-drahalahin-draiko sy teo imason'ireo vavolombelona izay niara-nanao sonia ny taratasy fivarotana ary teo imason'ireo Jiosy rehetra nipetraka teo an-kianja fiambenana.

13 Dia teo imason'ny olona rehetra teo no nandidiako an'i Baroka hoe:

14 -Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Raiso ny dikan'ny taratasy fifampivarotana voaisy tombonkase sy ny dika iray misokatra, ka apetraho ao anaty siny tanimanga mba hovoatahiry maharitra ela.

15 Fa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray amin'ity tany ity.

16 Rehefa avy nanolotra ny taratasim-pivarotana tamin'i Baroka zanakalahin'i Neria aho, dia nivavaka tamin'ny TOMPO ka nanao hoe:

17 -Indrisy, ry TOMPO ANDRIANANAHARY o, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy tamin'ny fahefanao, ka tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.

18 Maneho fitiavana hatramin'ny taranaka faharivo Ianao; fa raha misy nanao fahadisoana kosa ny ray aman-dreny, dia ny zanany no asainao mizaka ny vokatr'izany. Andriamanitra lehibe sy mahery Ianao, ary TOMPOn'izao rehetra izao no anaranao.

19 Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran'ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.

20 Naneho ny lazanao Ianao raha nanao famantarana sy zava-mahagaga fony mbola tany Ejipta ny razanay, ary mandraka ankehitriny eo amin'ny Israelita sy eo amin'ny olombelona hafa koa tahaka ny amin'izao anio izao.

21 Naneho hery amam-pahefana Ianao raha nanao famantarana sy zava-mahagaga mampivarahontsana mba hamoahana ny Israelita vahoakanao hiala avy tany Ejipta.

22 Nianiana tamin'ny razanay Ianao fa hanome azy ny tany izay misy anay ankehitriny, dia tany tondra-dronono sy tantely; ka nanome azy izany.

23 Tonga teto tokoa izy ary naka ny tany ho fananany; saingy tsy nihaino izay nolazainao izy, ary tsy nanaraka ny lalanao sady tsy nanatanteraka ny zavatra rehetra nasainao nataony; koa izany no nampiharanao izao loza rehetra izao aminy.

24 Indro mandroso hatrany izao ny Babilonianina amin'ny fanaovana fahirano ny tanana hahazoany azy; eny, hatolotra ho eo an-tanan'ny Babilonianina izy, ka hasiany amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Hitanao tsara izao fa tanteraka izay nambaranao.

25 Eny, efa saika eo am-pelatanan'ny Babilonianina izao ny tanana; koa nahoana Ianao, ry TOMPO ANDRIANANAHARY o, no nandidy ahy hividy io saha io ka handoa ny vidiny tolo-botsotra teo anatrehan'ny vavolombelona?

26 Dia namaly ahy ny TOMPO ka nanao hoe:

27 -Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va?

28 Izany no ilazako aminao hoe: Indro ity tanana ity hatolotro eo am-pelatanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sy eo am-pelatanan'ny tafiny ka ho azony.

29 Eo am-panafihana azy ny Babilonianina izao ka ho tafiditra ao an-tanana, dia handrava sy handoro azy amin'ny afo, indrindra ireo trano izay nampahasosotra Ahy satria teo amin'ny tafony marin-tampona no nandoroana vovojavamanitra mifangaro ho an'i Bahala sy nanolorana fanatitra divay ho an'ireo andriamani-kafa.

30 Fa ny Israelita sy ny Jodeanina dia efa nanao izay ratsy teo imasoko hatramin'ny fiandohan'ny tantarany, ary tsy nisy asa nataony afa-tsy ny nampalahelo Ahy; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

31 Fa ity tananan'i Jerosalema ity dia efa nampahavinitra sy nampahatezitra Ahy hatramin'ny nanorenana azy ka mandraka androany, hany ka hoesoriko tsy ho eo anatrehako intsony.

32 Nanao izay nampalahelo Ahy ny Israelita sy ny Jodeanina tamin'ny ratsy rehetra nataony, dia ny mpanjakany sy ny mpitondrany ary ny mpisorony sy ny mpaminaniny mbamin'ireo olon'i Joda sy ny mponina eto Jerosalema.

33 Toy izay hanatrika Ahy izy, dia vao mainka niamboho Ahy. Tsy nisy nanaiky sy nihaino ny fampianarako ireo, na dia tsy nitsahatra nampianatra azy aza Aho.

34 Ankoatra izany, dia nametrahany sampy tao amin'ny tempoly natokana ho Ahy ka nolotoiny.

35 Nanorina toeram-panasinana an'i Bahala tao amin'ny lohasahan'i Hinoma izy mba hanolorany ho sorona ho an'i Moleka ireo zanany lahy sy zanany vavy, nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany sady tsy mba tonga tao am-poko velively. Natao izany zavatra maharikoriko izany mba hampanota ny vahoakan'i Joda.

36 Ankehitriny anefa, na eo aza izany, IzahoTOMPO Andriamanitr'i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanana ity izay voalazanao sy voalazan'ny hafa hoe natolotra teo an-tanan'i Nebokadnetsara tamin'ny alalan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

37 Indro ny mponin'ity tanana ity fa hangoniko avy any amin'ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin'ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.

38 Dia ho vahoakako indray izy, ary Izaho ho Andriamaniny.

39 Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy.

40 Hanao fanekem-pihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.

41 Hahafaly Ahy ny hanasoa azy, ka amin'ny foko sy fanahiko manontolo no hampiorenako azy tanteraka amin'ity tany ity.

42 Izao ihany koa no lazaiko: Izaho TOMPO no nahatonga izao loza lehibe rehetra manjo ny vahoakan'i Joda izao. Ary mbola Izaho ihany no hahatonga eo aminy ny soa rehetra izay efa nampanantenaiko azy.

43 Hisy fividianana saha indray eto amin'ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an'i Nebokadnetsara.

44 Eny, ao amin'ny faritanin'i Benjamina sy ao amin'ny manodidina an'i Jerosalema, any amin'ny tananan'i Joda ary koa any amin'ny tanana any an-tendrombohitra sy any amin'ny lemak'i Sefela ary any Negeba , dia hisy fividianana saha indray; ho soratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko ireo voasesitany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0993