Jeremià
Toko faha-12
1 TOMPO o, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony hifandahatra aminao aho. Nefa ny amin'ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana omban'ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?2 Nambolenao izy dia niorim-paka, ka nitombo sy namoa. Tononin'ny vavany Ianao, fa ataony lavitry ny fony.
3 Ianao kosa, TOMPO o, mahalala ahy sady mahita ahy; nozahanao toetra ny foko fa miandany aminao. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny olona ratsy fanahy ireny, atokany ho amin'ny andro fandringanana.
4 Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian'ny mponina eo amin'ny tany, satria hoy izy hoe: "Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra."
5 Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza tsy arakao, hoy ny Tompo, ahoana, ry Jeremia, no hifaninananao amin'ny mpitaingin-tsoavaly? Raha amin'ny tany milamina ihany no anananao toky, ahoana kosa no hataonao rehefa ao anaty kirihitrala eny amoron'i Jordana?
6 Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy.
7 "Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan'ny fahavalo ilay vahoaka izay notiaviko tamin'ny foko tokoa.
8 Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an'ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako.
9 Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan'ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin'ny fanasana!
10 Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,
11 dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy."
12 Eny amin'ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin'ny sisintany an-kilany ka hatrany amin'ny sisintany an-daniny no andripahan'ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsiny.
13 Vary no nafafinareo, nefa tsilo no jinjainareo. Nisahirana mafy ny tenanareo, fa tsy nisy tombontsoa akory izany. Aoka ho menatra ianareo amin'ny vokatra azonareo! Fa ny fahatezeran'ny TOMPO no mirehitra mamely anareo.
14 Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mpifanila fonena na amin'ny fireneko: "Mikasikasika ny zaratany nomeko an'i Israely vahoakako ireo, ka dia hongotako hiala amin'ny taniny, ary hongotako hiala eo anivony koa ny vahoakan'i Joda.
15 Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin'ny anjara fananany ao amin'ny taniny avy.
16 Nampianatra ny vahoakako hianiana amin'ny Bahala ireo ratsy fanahy ireo; kanefa raha mianatra tsara ny fanaon'ny vahoakako izy ka hianiana amin'ny anarako hoe: "Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...", dia hanam-ponenana indray eo anivon'ny vahoakako.
17 Fa raha misy kosa firenena iray tsy mety mihaino Ahy, dia hongotako tanteraka izy sady haringako. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO."