Jeremià

Toko faha-46

1 Hafatra izay nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany momba ireo firenen-kafa.

2 Fanambarana momba an'i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan'i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron'ny ony Eofrata i Nekao no resin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia mpanjakan'i Joda.

3 Manome baiko ny manamboninahitra hoe: "Omany ny ampinga kely sy lehibe ary mandrosoa hiady.

4 Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra."

5 Ahoana izao zavatra hitako izao? Raiki-tahotra izy ka mihemotra. Resy ireo miaramila mahery fo sady mitsoaka mandositra, ka tsy misy miherika akory. Fihorohoroana hatraiza hatraiza , hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

6 Tsy afa-mandositra ny faingam-pandeha ary tsy mahavonjy tena ny mahery fo; fa any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata izy no ho tafintohina ka hianjera.

7 Iza ary ity tahaka an'i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara?

8 I Ejipta no tahaka an'i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara, fa hoy izy hoe: "Hiakatra hanafotra ny tany aho, ary handringana ny tanana sy ny mponina ao aminy.

9 Manafiha amin'izay, ry soavaly, ary miriota mafy, ry kalesy! Aoka hiainga ny mahery fo, dia ireo olon'i Kosy sy Poto izay mpitondra ampinga kely sy ireo olon'i Loda izay mirongo tsipika !"

10 Kanefa, ho an'ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin'ny ran'ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin'ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no any amin'ny tany avaratra manamorona ny ony Eofrata.

11 Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka maka balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao.

12 Ren'ny firenen-kafa ny henatrao fa nanenika ny tany ny tolokonao. Nifamingana ny samy mahery fo ka niara-nianjera izy roa tonta.

13 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona tonga nanafika an'i Ejipta :

14 Ambarao any Ejipta ny vaovao ary ampandreneso ao Migdola sy ao Memfisa ary aoTahapanehesa , ka ataovy hoe: "Mivonona hiady ary miomana, fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao."

15 Fa inona no miseho? Mianjera amin'ny tany ny ombilahy masina ianteheranao! Tsy nahatohitra izy fa voatosiky ny TOMPO

16 Izay mampivembena miaramila maro sy mampianjera azy hifanindry. Dia nifampiresaka ireo hoe: "Andeha isika hiverina any amin'ny firenentsika, dia any amin'ny tany nahaterahantsika, mba ho afaka amin'ny ady mandoza."

17 Fa ny Farao mpanjakan'i Ejipta kosa dia omeo anaram-bosotra hoe: "Rabetabataba tsy misy vokany."

18 -Teny hentitra no ataon'ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe "TOMPOn'izao rehetra izao": Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian'i Tabora amin'ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian'i Karmela izay mandondo

19 Ry mponina any Ejipta o, mifeheza entana mba handeha any amin'ny fahababoana. Fa hodorana ny tananan'i Memfisa, ka ho lao tsy hisy mponina intsony.

20 Toa ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta! Kinanjo tamy avy any avaratra ny fihitra hanaikitra azy!

21 Voakarakara toa ombilahy kely mifahy ireo miaramila mpikarama an'ady tao Ejipta. Nefa, na ireo koa aza, mihemotra ka samy lasa nandositra avokoa. Tsy misy mahajoro nony tonga ny andro mahory izay hirotsahako an-tsehatra hamely azy.

22 Toy ny fitsaitsaikan'ny menarana no fialan'ny tafika ejiptianina, raha vao tonga hamely azy ny fahavalo izay toy ny mpikapa hazo mandrangaranga famaky.

23 Kapain'ireo ny alany, na dia matevina aza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa marobe noho ny andiam-balala izy ka tsy tambo isaina.

24 Rakotra henatra ny mponin'i Ejipta: eo an-tanan'ny vahoaka avy any avaratra no efa nanolorana azy!

25 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an'i Amona andriamanitr'i Teba , hamely an'i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.

26 Hatolotro eo an-tanan'ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona mbamin'ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin'ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO. "

27 "Aza matahotra kosa ianareo, ry taranak'i Jakoba mpanompoko. Aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin'ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakoba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

28 Ry taranak'i Jakoba mpanompoko, aza matahotra ianareo, satria Izaho no miaraka aminareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba ho fongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina!"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558