Jeremià
Toko faha-37
1 Ary i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona nampanjaka an'i Tsedekia, zanakalahin'i Josia tao Joda mba hisolo an'i Konia , zanakalahin'i Joiakima.2 Kanefa, na i Tsedekia na ireo tandapany na ireo vahoakan'i Joda, dia samy tsy nihaino ny fampitandremana izay nampitain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany.
3 I Tsedekia mpanjaka kosa dia naniraka an'i Jokaly, zanakalahin'i Selemia ary koa i Tsefania mpisorona, zanakalahin'i Mahaseia ho any amin'i Jeremia mpaminany ihany hanao aminy hoe:-Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin'ny TOMPO Andriamanitsika.
4 Tamin'izay fotoana izay dia tsy mbola voatana an-tranomaizina i Jeremia, ka afaka nivezivezy malalaka.
5 Ny tafiky ny Farao dia efa niainga avy tany Ejipta rahateo; koa raha nandre izany ny Babilonianina, izay teo am-panaovana fahirano an'i Jerosalema, dia nihataka kely niala an'i Jerosalema.
6 Ary nisy tenin'ny TOMPO ho an'i Jeremia mpaminany manao hoe:
7 Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Ny mpanjakan'i Joda izay naniraka anareo hanontany Ahy dia ilazao hoe: Ny tafiky ny Farao, izay efa niainga mba hamonjy anareo, dia niverina ilalana ka nody any Ejipta.
8 Ho avy indray kosa ny Babilonianina hanafika ity tanana ity ka hahazo azy sady handoro azy amin'ny afo.
9 Ary izao koa nolazaiko aminareo: Aza mamita-tena foana ka hihevitra fa lasa tanteraka ny Babilonianina, satria tsy nandeha velively ireo!
10 Ary na dia ho resinareo aza ny tafika babilonianina manontolo izay miady aminareo, ka tsy misy tavela afa-tsy olona maratra, dia mbola hitsangana tsirairay ao an-dainy ireny ka ho avy handoro ity tanana ity amin'ny afo. "
11 Fa raha mbola nihataka an'i Jerosalema ny tafika babilonianina mba hidify ny tafiky ny Farao,
12 dia nivoaka ny tanana i Jeremia hankany amin'ny faritanin'i Benjamina mba handray anjara amin'ny fizaran-tany ataon'ny fianakaviany.
13 Kanjo raha vao nandalo teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia nifanehatra tamin'ny lehiben'ny mpiambina atao hoe Jiria, zanakalahin'i Selemia sady zafikelin'i Hanania. Ary nosamborin'i Jiria i Jeremia mpaminany ka nataony hoe:-Miandany amin'ny Babilonianina ianao.
14 Fa novalian'i Jeremia hoe: -Lainga izany, tsy miandany amin'ny Babilonianina aho. Nefa tsy nino izany i Jiria fa nisambotra an'i Jeremia ary nitondra azy ho any amin'ny lehibeny.
15 Tezitra tamin'i Jeremia kosa ireto ka nikapoka azy sady nanagadra azy tao an-tranon'i Jonatana mpitantsora-panjakana.
16 Ary naiditra tao amin'ilay efitra miendrika an-doha lambo i Jeremia. Efa ela nitoerana tao amin'io tranomaizina io Jeremia
17 no nanirahan'i Tsedekia olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: -Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian'i Jeremia hoe: -Eny, dia inty: "Hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona ianao."
18 Ary hoy koa i Jeremia tamin'i Tsedekia mpanjaka:-Inona no heloka nataoko taminao na tamin'ny manamboninahitrao na tamin'ny mponina eto amin'ity tanana ity no dia nataonareo an-tranomaizina aho?
19 Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanana ity ny mpanjakan'i Babilona?
20 Dia nampian'i Jeremia hoe: -Ankehitriny, ry andriamanjaka, miangavy anao aho mba hihaino ny fangatahana ataoko eo anatrehanao: Aza averina any an-tranon'i Jonatana mpitantsora-panjakana intsony aho, fandrao maty ao.
21 Dia nanome baiko i Tsedekia mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremia sady homena mofo boribory iray isan'andro avy ao amin'ny lalankelin'ny Mpanao mofo mandra-pahalanin'ny mofo rehetra ao an-tanana. Toy izany no nijanonan'i Jeremia tao an-kianjan'ny trano fiambenana.