Jeremià

Toko faha-51

1 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an'i Babilona sy hamely ny mponina ao aminy.

2 Olona hafa firenena no halefako amin'i Babilona ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin'izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy."

3 -Aoka tsy ho afaka hanenjan-tsipika intsony ao Babilona ireo mpitifitra amin'ny tsipika! aoka izy tsy ho afaka hisalotra intsony ny akanjo vy fiarovan-tratra!-Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny; ataovy ringana ny tafiny manontolo!

4 Eny amin'ny tanin'i Babilona dia hiampatrampatra ireo maratra,ary eny an-dalambeny no hitsitsitra ireo maty an'ady.

5 Satria manenika an'i Babilonia ny fahotany tamin'ilay Masin'iIsraely.-Ilay Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao kosa tsy mba namela an'i Israely sy i Joda ho mpitondratena.-

6 Mandosira hiala an'i Babilona ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotany ; fa fotoana famalian'ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.

7 I Babilona dia tsatokaty volamena teo an-tanan'ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan'ny firenenano nahavery saina ireny.

8 Kanjo tampoka no nianjeran'i Babilona sy nahamontsamontsana azy. -Manaova hira fisaonana ho azy, maka balsama hatao amin'ny feriny. Angamba ho sitrana ihany izy?

9 -Efa nitsabo an'i Babilona izahay saingy tsy nety sitrana izy. Aoka hilaozantsika izy, ka samia mody any an-tanintsika avy! Satria goavana ny fanamelohana mihatra aminy fa mahatakatra ny lanitra sy ny rahona.

10 Naneho fanafahana antsika ny TOMPO. Andao ho tantaraintsika any Tsiona izay nataon'ny TOMPO Andriamanitsika.

11 Nikasa handrava an'i Babilona ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan'i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan'ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin'ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipikanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipika.

12 Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan'i Babilona. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin'i Babilona.

13 Ry Babilona izay mipetraka eo amoron'ny ony lehibe sady manana harena sarobidy o, tonga ny fiafaranao fa feno ny fatranao.

14 Ny TOMPOn'izao rehetra izao dia nianiana tamin'ny tenany hoe: "Handefa olona hibosesika ao aminao Aho, ka ho maro toy ny valala ireny, ary hanao akoran'ady hamelezana anao."

15 Tamin-kery no nanaovan'Andriamanitra ny tany , tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.

16 Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy eny am-paravodilanitra, ary andatsahan'ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan'ny rivotra avy amin'ny fitoerany.

17 Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr'izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin'ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.

18 Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin'ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.

19 Fa tsy mitovy amin'ireo ny TOMPO, ilay Anjaran'i Jakoba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn'izao rehetra izao no anarany.

20 "Ry Babilona, hoy ny TOMPO, kanonta sy fitaovam-piadiana ho Ahy ianao. Ianao no nampiasaiko hanorotoroana firenena sy hanapotehana fanjakana maro.

21 Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

22 Ianao no nampiasaiko hanorotoroana lehilahy sy vehivavy, na antitra na tanora na ankizy.

23 Ianao no nampiasaiko hanorotoroana ny mpiandry ondry sy ny andian' ondriny, ny mpamboly sy ny ombiny mizioga, ary ny governora sy ny lefiny."

24 "Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: Ho hitanareo kosa izao fa hatsingeriko amin'i Babilona sy ny mponina rehetra any Babilonia ny ratsy rehetra nataony tamin'iTsiona.

25 Indro mamely anao Aho, ry Babilona mpampiavosa fandravana, ianao ilay nandrava izay rehetra tamin'ny tany, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO. Maninji-tanana hamely anao Aho, ka manjera anao avy eny ambony harambato. Hataoko vainafo miavosa ianao,

26 ka tsy ho azo akana vato intsony hatao vato fehizoro na vato fanorenana. Ho toerana mahonena mandrakizay ianao, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO."

27 Atsangano ny fanevam-panairana eo amin'ny tany, tsofy any amin'ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an'i Babilona, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Meny ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.

28 Entano ny firenena maro hamely azy, indrindra fa ny mpanjakan'i Medianina, ny governora rehetra sy ny lefiny ary ny faritany manontolo izay iadidiany.

29 Mihorohoro sy mihovitrovitra ny tany fa tanteraka amin'i Babilona ny fikasan'ny TOMPO hamelezana azy mba hahatonga an'i Babilonia ho tany mahonena tsy misy mponina intsony.

30 Tsy mety hiady intsony ny miaramila kalazan'i Babilona, fa lasa niery any amin'ny trano fiarovana. Lefy herim-po izy, ka nalemy toy ny vehivavy. Nodorana ny fonenany, potika ny hidim-baravarany.

31 Mifampita vaovao ny iraka mpihazakazaka mba hampandre ny mpanjakan'i Babilona, fa azom-pahavalo ny tananany manontolo.

32 Voatazona ny toeram-pitana, voadoro ny volotara eny an-kady fiarovana, kivy ny miaramila babilonianina.

33 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Voahosihosy ilay Babilona fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy. "

34 "Nandripaka sy nitsentsitra ahy i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona; dia napetrany toy ny vilia nahalaniana aho. Tahaka ny fitelin'ny mamba no nitelemany ahy, ka ny tsokako no namenoany ny kibony; izay aho vao naloany.

35 Aoka ny mponin'i Tsiona hiteny hoe: Hanody an'i Babilona anie ny herisetra nataony tamiko! Aoka i Jerosalema hiteny hoe: Hanody ny Babilonianina anie ny heloka nataony tamin'ny nandatsahany ny rako!"

36 Izao ary no lazain'ny TOMPO amin'i Jerosalema: "Horaisiko an-tanana ny momba anao ka Izaho no hamalifaty anao: hataoko maina ny oniny ary horitiko ny loharanony.

37 Ho tonga korontam-bato i Babilona, ka ho fonenan'ny amboadia, ho toerana tsy hisy olona intsony fa mahonena sy mampivarahontsana.

38 Miara-mierona toy ny liona tanora ny mponina ao Babilona ankehitriny ary mikonainaina toy ny zana-diona.

39 Raha mbola eo am-pilendalendana izy, dia efa manomana fanasana ho azy Aho: Homamoiko izy mba hiravoravo, dia hatory mandrakizay , ka tsy hifoha intsony. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

40 Any amin'ny toeram-pamonoana no hitondrako azy toy ny zanak'ondry sy toy ny ondrilahy aman'osilahy. "

41 Andray! Nalaza eran-tany ny tananan'i Sesaka nefa azo sy voatazona izy izao! Andray! Tonga toerana mahonena i Babilona eo anivon'ny firenena maro!

42 Tafakatra hatrany aminy ny ranomasina, nandrakotra azy ny onjany misafoaka.

43 Tonga aolo ny tananany; karankaina sy ngazana ny taniny sady tsy misy olona monina intsony ary tsy misy olona mandalo azy.

44 Hoy ny TOMPO hoe: "Hirotsaka an-tsehatra hanafay an'i Bela andriamanitr'i Babilona Aho, hasaiko haloany izay nateliny. Hitsahatra tsy hitanjozotra ho any aminy ireo firenen-kafa. Nirodana ny mandan'i Babilona!

45 Koa ilaozy ny tananany, ry vahoakako, ary samia manavo-tena ianareo mba tsy hiharan'ny fahatezerako mirehitra!

46 "Tandremo tsy ho kivy na hatahotra ianareo noho ny tsaho izay taterina ao amin'ny tany. Fa hifandimby ny tsaho samihafa arakaraky ny taona: herisetra ao amin'ny tany, fanonganan'ny mpanao didy jadona an'izay talohany...

47 Ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra hanafay ireo sarivongan-tsampin'i Babilona. Ho afa-baraka ny taniny manontolo; hiampatrampatra ao an-tanana ny maty rehetra.

48 Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hanao hobim-pandresena noho ny amin'i Babilona, rehefa tonga avy any avaratra ireo tsy maintsy handrava azy. Izany no teny hentitry ny TOMPO."

49 Nahatonga fahafatesan'olona maro i Babilona teo amin'ny tany manontolo; koa anjarany indray izao ny ho faty noho ireo Israelita izay novonoiny.

50 Koa ianareo izay afaka tamin'ny ady, mandehana fa aza mijanona eo. Avy any lavitra any no tsarovy ny TOMPO ary ataovy ao an-tsainareo i Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0598