Jeremià
Toko faha-21
1 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ho an'i Tsedekia mpanjaka. Fa nirahin'ny mpanjaka hankany amin'i Jeremia i Pasehora zanakalahin'i Malkia ary koa i Tsefania mpisorona sady zanakalahin'i Mahaseia mba hangataka aminy hoe:2 -Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilonianina handao antsika.
3 Dia hoy i Jeremia tamin'ireo iraka:-Ndeha ambarao amin'i Tsedekia
4 fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: "Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babilona sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodiko ho ao afovoan-tanana.
5 Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin'ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.
6 Hamely izay rehetra monina amin'ity tanana ity Aho, na olona na biby, ka ho fatin'ny areti-mandringana izy rehetra.
7 Aorian'izany, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, dia hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona i Tsedekia mpanjakan'i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanana izay sisa velona tamin'ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan'ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain'i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny."
8 Nisy hafatra hafa koa nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ho an'ny vahoaka hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: indreo ianareo apetrako eo an-tsampanan-dalana, ka eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana.
9 Na iza na iza mijanona amin'ity tanana ity dia ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanana kosa mba hitolo-batana amin'ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.
10 Fa tsy ny hitondra soa amin'ity tanana ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona izy ho dorany amin'ny afo."
11 Fa nambarana ho an'ny fianakavian'ny mpanjakan'i Joda. Mihainoa ny tenin'ny TOMPO,
12 ianareo taranak'i Davida. Izao no lazain'ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan'ny mpitsentsitra ireo olona volosany, fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.
13 Indro avy hamely anareo Aho, ry mponina ery ambanimbany , eo amin'ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin'ny fisitrihanareo.
14 Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin'ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon'izany afo izany.