Jeremià
Toko faha-19
1 Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremia: "Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin'ny mpanefy tanimanga, dia maka loholona avy amin'ny vahoaka ary loholona avy amin'ny mpisorona hiaraka aminao.2 Avy eo dia mivoaha mankany amin'ny lohasahan'i Bena-Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahadin'ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,
3 ka milaza hoe: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan'i Joda sy ry mponin'i Jerosalema. Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro hahatonga loza amin'ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin'izay rehetra mandre izany.
4 Fa ny olon'i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an'ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan'i Joda; sady nataony feno ran'ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.
5 Nanorina toeram-panasinana ho an'i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an'i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.
6 "Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tofeta na lohasahan'i Bena-Hinoma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.
7 Eto amin'ity toerana ity no hanafoanako ny politikan'i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan'ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.
8 Hataoko lao sady ho fandatsa ity tanana ity; ka ny olona rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hanao fandatsana eo am-pahitana ny faharavana rehetra nanjo azy.
9 Noho ny fahirano sy ny fampahoriana hafitsok'ireo fahavalony izay hitady hahafaty azy, dia hihinana ny nofon'ny zanany lahy sy ny nofon'ny zanany vavy ny olona ary hifampihinana koa aza.
10 Avy eo, ry Jeremia, dia poteho eo imason'ireo olona miaraka aminao ny siny,"
11 ka mitenena aminy hoe: "Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanana ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony." Ary ny amin'i Tofeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.
12 Koa ho tahaka izay nanjo an'i Tofeta no hataoko amin'ity tanana ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
13 Ny trano eto Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'i Joda dia ho tonga maloto tahaka ny toerana ao Tofeta; eny, izany no hanjo ireo trano rehetra izay nandoroana vovo-javamanitra mifangaro teo an-tampony ho an'ireo andian-kintana eny an-danitra sady nandrarahana fanatitra divay ho an'ny andriamani-kafa."
14 Nony tafaverina avy any Tofeta izay nanirahan'ny TOMPO azy hampita hafatra iJeremia, dia nitsangana teo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO, ary nanambara tamin'ny vahoaka rehetra teo hoe:
15 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro hataoko tonga amin'ity tanana ity sy amin'ireo tanana madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy ka tsy nihaino ny teniko."