Jeremià

Toko faha-43

1 Rehefa tapitra voalazan'i Jeremia avokoa tamin'ny vahoaka rehetra teo ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy ho lazainy aninkeheo,

2 dia namaly i Hazaria zanakalahin'i Hosaia sy i Johanana zanakalahin'i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin'i Jeremia hoe: -Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika.

3 I Baroka, zanakalahin'i Neria, no nanome saina anao hamely anay, fa tiany ho voatolotra eo an-tanan'ny Babilonianina izahay mba hamonoany anay ho faty na hitondrany anay ho babo any Babilona.

4 Noho izany, tsy nanaiky hipetraka tany Joda araka izay nambaran'ny TOMPO azy i Johanana zanakalahin'i Karea sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila mbamin'ireo olona niaraka taminy.

5 Fa nentin'i Johanana zanakalahin'i Kareha sy ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila kosa ny vahoaka sisa tavela tao amin'ny fanjakan'i Joda, izany hoe ny olona rehetra voaroaka tany amin'ireo firenena manodidina ka niverina honina tao Joda indray,

6 dia lehilahy mpiady sy zaza amam-behivavy ary ireo zanakavavin'ny mpanjaka; ireo olona rehetra ireo dia izay napetrak'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina tamin'i Gedalia, zanakalahin'i Ahikama sy zafikelin'i Safana. Nentiny niaraka taminy koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka zanakalahin'i Neria.

7 Tsy nihaino ny feon'ny TOMPO ireo, fa lasa nankany Ejipta, ary tonga hatrany Tahapanehesa.

8 Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tahapanehesa ny baikon'ny TOMPO hoe:

9 "Maka vato lehibe vitsivitsy ka aleveno ao amin'ny gorodona rarivato eo am-pidirana mankao an-dapan'ny Farao ao Tahapanehesa eo imason'ny lehilahy jodeanina.

10 Dia ambarao amin'ireo hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro Aho haniraka hampaka an'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izay mpanompoko, ka eto ambonin'ireto vato izay nalevina eto ireto no haoriko ny seza fiandrianany, ary eto no hamelarany ny trano lain'ny mpanjaka."

11 Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin'ny areti-mandringana dia hianjadian'ny areti-mandringana, izay natao ho amin'ny fahababoana dia hianjadian'ny fahababoana, ary izay natao ho azon'ny sabatra dia hovonoina ho faty amin'ny sabatra.

12 Hodorany amin'ny afo ny tempolin'ireo andriamanitry ny Ejiptianina, hodorany koa ireo andriamanitry ny Ejiptianina na ho entiny ho babo any aminy. Tahaka ny hitsimponan'ny mpiandry ondry ny haofotsy amin'ny fitafiany no handrobany an'i Ejipta. Avy eo dia hiala am-pilaminana izy.

13 Hotorotoroin'i Nebokadnetsara koa ireo vato mitsangana ao Heliopoly ary horavany amin'ny afo ireo tempolin'ny andriamanitry ny Ejiptianina."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559