Jeremià

Toko faha-38

1 I Sefatia zanakalahin'i Matana sy i Gedalia zanakalahin'i Pasehora sy i Jokaly zanakalahin'i Selemia ary i Pasehora zanakalahin'i Malkia dia samy nandre ny teny nolazain'i Jeremia tamin'ny olona rehetra nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny TOMPO: Izay mijanona eto amin'ity tanana ity dia ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Fa izay mivoaka ny tanana mba hitolo-batana amin'ny Babilonianina kosa dia ho velona hahavonjy ny ainy.

3 Ary hoy koa i Jeremia hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: Hatolotra eo an-tanan'ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona tokoa ity tanana ity ka ho azony."

4 Rehefa nandre izany ireo manamboninahitra ireo, dia niteny tamin'i Tsedekia mpanjaka hoe:-Takinay ny hamonoana ho faty an'i Jeremia, satria manakivy tanteraka ny miaramila sy ny mponina sisa ao an-tanana izy.Tsy mba mitady izay hahatsara ny vahoaka io lehilahy io fa ny hanampy trotraka ihany.

5 Dia namaly azy ireo i Tsedekia hoe: -Ataovy izay tianareo hatao aminy, fa na izaho mpanjaka aza tsy afaka hisakana anareo amin'izany.

6 Dia nalain'ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremia ka natsipiny tao amin'ny lavaka famorian-dranon'ny andriana Malkia ; fa teo an-kianjan'ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an'i Jeremia tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin'ny fotaka i Jeremia.

7 Ary ren'ilay Etiopianina atao hoe Hebeda-Meleka izay lehilahy nahatoky tao an-dapan'ny mpanjaka fa natsipy tao an-dava-drano i Jeremia. Ny mpanjaka kosa tamin'izay dia nipetraka teo am-bavahadin'i Benjamina;

8 koa niainga avy tao an-dapa i Hebeda-Meleka, ary niteny tamin'ny mpanjaka hoe:

9 -Ry andriamanjaka o, zava-dratsy avokoa izay rehetra nataon'ireo lehilahy ireo tamin'i Jeremia mpaminany fa natsipiny tao an-dava-drano izy ka ho faty mosary ao,satria tsy misy mofo intsony ato an-tanana.

10 Dia nanome baiko an'i Hebeda-Meleka etiopianina ny mpanjaka hoe: -Mitondra telopolo lahy avy eto hiaraka aminao, ka ampiakaro hiala tao an-dava-drano i Jeremia dieny mbola tsy maty.

11 Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Meleka, ka nankao an-dapan'ny mpanjaka tao amin'ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin'iJeremia tao an-dava-drano tamin'ny tady mahazaka.

12 Ary hoy i Hebeda-Meleka etiopianina tamin'i Jeremia hoe: -Ataovy ao ambany helikao ireo vorodamba ireo ka apetraho eo ambaniny ny tady mahazaka.Rehefa nataon'i Jeremia izany,

13 dia nosintonin'ireo ny tady mahazaka ka nakariny avy tao an-davaka i Jeremia; ary nipetraka tao an-kianjan'ny trano fiambenana izy.

14 Ary naniraka olona haka an'i Jeremia i Tsedekia mpanjaka ka nandray azy manokana teo amin'ny fidirana fahatelo mankao an-tranon'ny TOMPO, sady nanao taminy hoe: -Hanontany zavatra aminao aho, ka aza misy afenina amiko.

15 Dia hoy i Jeremia tamin'i Tsedekia: -Raha milaza ny marina aminao aho, dia ho vonoinao ho faty. Ary raha manoro hevitra anao aho, dia tsy hohenoinao akory.

16 Fa nianiana mangingina tamin'i Jeremia ny mpanjaka, ka nanao hoe: -Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika,ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin'ireo olona mifofo ny ainao.

17 Dia hoy i Jeremia tamin'i Tsedekia: -Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao sady Andriamanitr'iIsraely: "Raha mivoaka hitolo-batana amin'ny manamboninahitry ny mpanjakan'i Babilona ianao, dia ho velona ianao sy ny fianakavianao, ary tsy hodorana amin'ny afo ity tanana ity.

18 Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin'ireo manamboninahitry ny mpanjakan'i Babilona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tanan'ny Babilonianina ity tanana ity ka hodorany amin'ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory."

19 Hoy kosa i Tsedekia mpanjaka tamin'iJeremia: -Matahotra ireo Jiosy izay efa niandany tamin'ny Babilonianina aho, fandrao hatolony ho eo an-tanan'ireo ka hataony fihomehezana.

20 Fa hoy i Jeremia taminy: -Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin'ny TOMPO lazaiko aminao,dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.

21 Fa raha tsy manaiky hitolo-batana ianao, dia izao no zavatra nasehon'ny TOMPO tamiko:

22 Ny vehivavy rehetra izay tafajanona ao an-dapan'ny mpanjaka dia hoentina eo amin'ny manamboninahitry ny mpanjakan'i Babilona, ka hanao izao hira izao ny aminao hoe: Nangolen'ireo sakaiza tianao ianao ka roboka! Fa nony tafalatsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao,dia nilaozany nandositra ianao!

23 Eny, ny vadinao rehetra mbamin'ireo zanakao lahy dia hoentina any amin'ny Babilonianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin'ny tanany; hataon'ny mpanjakan'i Babilona sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanana ity amin'ny afo.

24 Dia hoy i Tsedekia tamin'i Jeremia: -Raha tsy te ho faty ianao, dia aoka tsy hisy hahalala izao resaka nifanaovantsika izao.

25 Ho ren'ireo manamboninahitra ambony fa niresaka taminao aho, koa ho avy izy hanontany anao ny amin'izay nifampiresahantsika. Hampanantena izy fa tsy hamono anao ho faty, raha tsy manafina na inona na inona aminy ianao.

26 Nefa izao no havalinao azy: "Niangavy ny mpanjaka aho mba tsy haveriny any an-tranon'i Jonatana intsony fandrao ho faty any."

27 Dia tonga tany amin'i Jeremia tokoa ireo manamboninahitra ambony ka nanontany azy, saingy novalian'i Jeremia araka izay teny rehetra efa nandidian'ny mpanjaka azy. Dia nangina ireo satria tsy nisy nandre ny resaka nifanaovany.

28 Ary i Jeremia dia nijanona teo an-kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro izay nahazoana an'i Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0593