Jeremià
Toko faha-45
1 Fony i Baroka zanakalahin'i Neria nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin'i Jeremia , dia taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda tamin'izay; ka hoy ny teny nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka:2 -Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely momba anao, ry Baroka.
3 Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian'ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!
4 Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: "Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.
5 Koa ianao ve sahy hitaky tombontsoa ho an'ny tenanao manokana? Tsia, aza mitaky na inona na inona; fa indro Aho hahatonga loza ho amin'ny olombelona rehetra. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa izao no tombontsoa hanananao: Hataoko velona aina ianao any amin'ny toerana rehetra halehanao."