Jeremià

Toko faha-30

1 Nisy baiko tamin'i Jeremia, dia baiko avy amin'ny TOMPO nanao hoe:

2 "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.

3 Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran'i Israely vahoakako ary koa ny an'i Joda. Haveriko ao amin'ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray."

4 Izao no hafatra nampitain'ny TOMPO tamin'i Jeremia ho an'i Israely ary koa ho an'i Joda;

5 eny, izao no lazain'ny TOMPO: "Kiakiaka mahatsiravina no re, horohoro tsy misy mampitony.

6 Anontanio ka jereo raha misy lehilahy mihetsi-jaza. Ahoana ary Aho no mahita ny lehilahy rehetra mitan-kibo toy ny vehivavy mihetsi-jaza, ka hatsatra sy mivaloharika avokoa?

7 Loza ity! fa andro mampahatahotra, andro tsy misy toa azy; vanim-potoana mahory ho an'ny taranak'i Jakoba! Nefa ho afaka amin'izany ihany izy."

8 "Rehefa tonga izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia hopotehiko ny zioga mitambesatra eny am -bozony ary hotapahiko ny fatorany.Tsy hanompo ny vahiny intsony izy,

9 fa hanompo Ahy TOMPO Andriamaniny sy hanompo an'i Davida izay hatsangako ho mpanjakany indray."

10 "Koa aza matahotra ianareo, ry taranak'i Jakoba mpanompoko , hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin'ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin'ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak'i Jakoba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

11 Fa miaraka aminareo Aho, mba hamonjy anareo; teny hentitry avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina."

12 Izao no lazain'ny TOMPO :"Tsy azom-panafana ny fahavoazanao, tsy azo sitranina ny ratranao.

13 Tsy misy olona mihevitra ny ferinao ho mbola mety hotsaboina; fa tsy misy fanafodiny intsony.

14 Manadino anao avokoa ireo sakaizanao ary tsy misy miahy anao mihitsy; satria Izaho no nikapoka anao toy ny fahavalo namely anao, ka nofaiziko mafy ianao.

15 Nahoana no itarainanao ny fahavoazanao sy ny fanaintainanao tsy azo tonena? Ny halehiben'ny helokao sy ny hamaroan'ny otanao no nampiharako izany taminao.

16 Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.

17 Satria ireo efa niantso anao hoe: "Ry ilay tsy misy ilana azy," "ry Tsiona tsy misy miahy akory" , koa hositraniko ny ratranao ary hohamainiko ny ferinao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany."

18 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian'i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin'ny havoany. ireo tanan-dehibe tsirairay avy ary eo amin'ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.

19 Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana.Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak'i Jakoba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.

20 Hanjary toy ny fahiny ianareo, ry taranak'i Jakoba: hotohizinareo indray ny fivorianareo eo anatrehako, ary hirotsaka an-tsehatra Aho hamely ireo nampahory anareo.

21 Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO.

22 Amin'izay dia ho vahoakako indray ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo."

23 Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran'ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eo an-dohan'ny olon-dratsy.

24 Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran'ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin'ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558