Jeremià
Toko faha-24
1 Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan'ny tempoliny. Taorian'ny nitondran'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona an'i Jekonia, zanakalahin'i Joiakima sady mpanjakan'i Joda, sy ireo mpifehy an'i Joda mbamin'ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilona no nisehoan'izany.2 Ny sobika voalohany dia nisy aviavy tsara dia tsara toy ny aviavy masaka voalohany. Ny sobika faharoa kosa nisy aviavy ratsy loatra ka tsy azo hanina.
3 Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: -Inona no hitanao, ry Jeremia? Namaly aho hoe: -Aviavy: ka ny sasany tsara dia tsara, fa ny sasany kosa ratsy loatra ka tsy azo hanina.
4 Ary nisy indray hafatry ny TOMPO tamiko nanao hoe:
5 -Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Ho tahaka ireto aviavy tsara ireto no hijereko ny Jodeanina voababo izay noroahiko hiala teto amin'ity toerana ity hankany Babilonia.
6 Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodiko amin'ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.
7 Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin'ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.
8 Fa ny amin'i Tsedekia mpanjakan'i Joda sy ny manamboninahiny mbamin'ireo mponina sisa tavela ao Jerosalema ary koa ireo olona tsy niala teo amin'ity tany ity sy ireo lasa nipetraka tany Ejipta, dia izao nolazain'ny TOMPO: Hataoko toy ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.
9 Hatolotro ho fampihorohoroana ny fanjakana rehetra eto an-tany izy; ka na aiza na aiza hanapariahako azy, dia ho ohatra fandatsana sy fanarabiana ary fanesoana sy fanozonana izy.
10 Halefako hamely azy ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana mandra-pahalany ritra azy tsy ho eo amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.