Jeremià

Toko faha-2

1 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko ! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin'ny faritany tsy nisy zava-maniry.

3 Voatokana ho Ahy irery ianao tamin'izay, ry Israely, toy ireo voaloham-bokatry ny tany. Izay rehetra nikasika anao dia nahita raharaha tamiko, ka niharan-doza avy hatrany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

4 Ry taranak'i Jakoba sy ry fokon'i Israely rehetra, henoy ny tenin'ny TOMPO

5 fa izao no lazainy aminareo: Inona moa no hadisoana hitan'ny razanareo tamiko no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy? Nandeha nanaraka zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa!

6 Tsy nanontany tena akory izy hoe:Mba aiza ary izao ny TOMPO izay nitondra antsika niala tany Ejipta sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra, faritany karankaina sy be hantsana, tany mangentana sy mampahatahotra fa tsy andalovan'olona sady tsy misy mponina?"""

7 Izaho no nampiditra anareo ho ao amin'ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.

8 Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe:"Mba aiza ary izao ny TOMPO? " Ny mpahay lalana kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitondra nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin'ny anaran'i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin'ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.

9 Noho izany dia hifandahatra hiady aminareo Aho, ary hatrany amin'ny zafinareo no hiadiako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

10 "Fa mba mandehana ange miampita any amin'ny nosy Kitima ka zahao, mba maniraha olona hanadihady any amin'ny Arabo ao Kedara , raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!

11 Moa ve nisy firenena efa nanova ny andriamaniny, nefa tsy andriamanitra akory ireny! Fa ny vahoakako kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireo andriamanitra tsy mahasoa akory.

12 Koa aoka ho gaga ianareo any an-danitra ka samia raiki-tahotra sy mangorohoro; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

13 Faharatsiana roa sosona no nataon'ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano. """

14 "Mpanompo ve i Israely ankehitriny? Moa nateraka ho andevo ve izy? Tsia, koa nahoana izy no ho rembin'ny firenen-kafa?

15 Tahaka ny fieron'ny biby masiaka no fandrahonan'ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tananany ho tsy azo onenana.

16 Na dia ny mponina tao Memfisa sy tao Tahapanehesa aza mba nanety ny lohanao hangadihady , ry Israely.

17 Ny nahatonga izany taminao ve tsy noho ny nandaozanao ny TOMPO Andriamanitrao tamin'ny andro nitantanany anao teny an-dalana?

18 Ankehitriny, inona no soa ho anao amin'ny fankanesana any Ejipta? Hisotro ny ranon'i Neily ve? Ary inona no soa ho anao amin'ny fankanesana any Asiria? Hisotro ny ranon'i Eofrata ve?

19 Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary ho faizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin'izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao."

20 Hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioganao ary namahanao ny fatoranao tamiko ka nilazanao hoe: Tsy hanompo intsony aho". Kinanjo teny amin'ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny no nitsilailay toy ny vehivavy mpivaro-tena ianao.

21 Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana ary ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa?

22 Na dia misasa ny tenanao toy ny fanasa lamba aza ianao ka hampiasa savony betsaka, dia tsy ho afaka ny fahadisoanao fa ho toy ny tseroka eo anatrehako, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY.

23 Ahoana no ahasahianao nilaza hoe:"Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin'i Bahala?" Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny rameva vavy mihazakazaka etsy sy eroa.

24 Toy ny borikivavidia zatra any an-taniefitra ianao: Miandry lahy izy ka manimbolo rivotra, sady maimay ery ka tsy misy mahasakana azy. Tsy sahirana akory ireo lahy rehetra mitady azy, fa mahita azy amin'ny volana mahamaimay azy!

25 Atsaharo ny hazakazakao , ry Israely,fandrao haradratra ny tongotrao tsy mikapa ary koa ho maina ny tendanao. Nefa hoy ny navalinao hoe: "Tsy mampiraika ahy izany, fa tiako ny andriamani-kafa ka tsy maintsy miaraka aminy aho."

26 Indray andro any anefa ianareo, ry mponin'i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.

27 Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: "Ianao no raiko"; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: "Ianao no niteraka ahy". Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: "Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay";

28 fa hamaly anareo kosa Aho hoe: "Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo? Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin'ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan'ny tanananareo no isan'ny sampinareo, ry mponin'i Joda.

29 Nahoana no mifandahatra amiko ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, kanefa ianareo rehetra no nivadika tamiko?

30 Nikapoka anareo toy ny zanako Aho, fa tsy nahoanareo akory izany; tsy zaka nanarina ianareo. Tahaka ny liona namiravira no namonoanareo ny mpaminany ho fatin'ny sabatrareo.

31 Aoka ho dinihinareo ny tenin'ny TOMPO, ry taranaka ankehitriny ! Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely? Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe: "Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?"

32 Moa manadino ny firavany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin'ny andro maro tsy voaisa."

33 "Endrey izany tetikao hitady fitia, hany ka nihazatra nanao heloka ianao!

34 Hatramin'ny fitafianao avy no nahitana ny ran'ny mahantra tsy manan-tsiny. Tsy nahatratra azy na napitsoka ny varavaranao akory ianao! Nefa na eo aza izany rehetra izany,

35 dia mihambo ho tsy manan-tsiny ianao, ary tsy ara-drariny ny itezerako anao. Koa noho ianao milaza ho tsy manao ratsy, dia hanenjika anao amin'ny fitsarana Aho."

36 "Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin' i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin'i Asiria.

37 Dia hialanao amin-kenatra koa i Ejipta ka hanaron-tava amin'ny tanana ianao; satria Izaho TOMPO tsy manaiky ny hitadiavanao io karazam-panampiana io, fa tsy hanambina anao izany."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568