Jeremià
Toko faha-35
1 Tamin'ny andron'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , dia tonga ho an'i Jeremia avy amin'ny TOMPO izao teny izao:2 Mandehana mankany amin'ny fokon'ny Rekabita ka reseo lahatra izy mba hankao amin'ny efitra iray ao an-tranoko, dia rosoy divay ho sotroiny.
3 Dia nandeha aho, ka naka an'i Jazania, zanakalahin'i Jirmeia sady zafikelin'i Habatsinia,mbamin'ny rahalahin'io Jazania io sy ny zanakalahiny rehetra, dia ny fokon'ny Rekabita manontolo.
4 Nampidiriko tao amin'ny efitra iray tao an-tranon'ny TOMPO izy, dia tao amin'ny efitra voatokana ho an'ny mpianatr'i Hanana, izay lehilahy masina sady zanakalahin'i Jigdalia. Io efitra io dia teo akaikin'ilay efitranon'ireo lehibe ary teo ambonin'ny an'i Mahaseia, zanakalahin'i Saloma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin'ny tempoly.
5 Dia narosoko teo anoloan'ireo Rekabita ireo ny siny feno divay sy ny tsatokaty, ary hoy aho taminy: -Misotroa divay ianareo!
6 Nefa namaly izy hoe:-Tsy misotro divay izahay, satria i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba sady razanay, dia efa nandidy anay hoe: "Aza misotro divay na oviana na oviana, na ianareo na ny taranakareo.
7 Aza manao trano ianareo na mamboly ny tany na mamboly voaloboka, na manana tanimboaloboka; fa anaty tranolay ihany no hipetrahanareo mandritra ny androm-piainanareo rehetra, dia ho ela velona ianareo any amin'ny tany izay ivahinianareo any."
8 Koa nankatoavinay ny tenin'i Jonadaba zanakalahin'i Rekaba sady razanay, tamin'izay rehetra nanafarany anay. Dia tsy misotro divay na oviana na oviana ny tenanay na ny vadinay na ny zanakay lahy na ny zanakay vavy.
9 Tsy manao trano hipetrahanay izahay na manana tanimboaloboka na saha voavoly,
10 fa mipetraka an-day. Koa ankatoavinay sy arahinay izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
11 Fa nony niakatra teto amin'ny tany i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, dia nanapa-kevitra hiditra ato Jerosalema izahay mba handositra ny tafika babilonianina sy sirianina. Koa izany no ipetrahanay eto Jerosalema izao.
12 Dia nisy indray tenin'ny TOMPO ho an'i Jeremia nanao hoe:
13 "Mitenena amin'ny vahoakan'i Joda sy ny mponina eto Jerosalema ianao, ka ataovy hoe: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Moa tsy tokony ho nandray anatra va ianareo ka ho nihaino izay nolazaiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO?
14 Fa i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, dia nandidy ireo zanany mba tsy hisotro divay, ary nankatoavin'ny Rekabita ny teniny; ka tsy nikasika divay ireo mandraka androany, satria nitana ny hafa-drazany. Izaho anefa, na dia tsy nitsahatra nampitandrina anareo aza, dia tsy mba nohenoinareo akory.
15 Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: Samia miala amin'ny toe-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin'andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin'ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo."" Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo."
16 Ny Rekabita dia nankato ny hafatra azony tamin'i Jonadaba razambeny, fa ianareo vahoakan'i Joda kosa tsy mba nihaino Ahy."
17 Dia hoy koa i Jeremia hoe: "Noho izany, dia izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao sady Andriamanitr'iIsraely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan'i Joda sy ry mponin'i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo."
18 Avy eo, dia hoy i Jeremia tamin'ny fokon'ny Rekabita: "Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Nitana ny hafatra azonareo tamin'i Jonadaba razanareo ianareo, ka nanatanteraka izany an-tsakany sy an-davany araka izay rehetra nanafarany anareo.
19 Noho izany, amin'ny fianakavian'i Jonadaba zanakalahin'i Rekaba, dia hisy hatrany olona hijoro hanompo eo anatrehako. IzahoTOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely no milaza izany."