Jeremià

Toko voalohany

1 Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon'i Jeremia, zanakalahin'i Hilkia isan'ny mpisorona tao Hanatota, tanana iray tamin'ny faritanin'i Benjamina.

2 Nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan'i Josia, zanakalahin'i Amona sady mpanjakan'i Joda ,

3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda, ka hatramin'ny taona farany nanjakan'i Tsedekia, zanakalahin'i Josia iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11nanjakan'i Tsedekia tamin'ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.

4 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5 -Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena maro.

6 Ary namaly aho hoe:-Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandaha teny.

7 Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:-Aza manao hoe "mbola tanora loatra aho "fa tsy maintsy handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.

8 Aza matahotra azy fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9 Avy eo izy dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe:-Ianao no hanambara ny teniko.

10 Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin'ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray.

11 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanontany hoe:-Inona no hitanao, ry Jeremia? Dia novaliako hoe:-Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.

12 Ary hoy ny TOMPO tamiko: -Nahita tsara ianao, fa hahatsiaro Aho mba hanatanteraka izay lazaiko.

13 Dia mbola nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanontany hoe:-Ary inona no hitanao izao? Dia novaliako hoe:-Vilany mangotraka no hitako; avy any avaratra no mitongilana mankaty ny vavany.

14 Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko: -Avy any avaratra tokoa no hipoitra ny loza hamelezana ny mponina rehetra eto amin'ny tany.

15 Fa Izaho TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin'ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny seza fiandrianan'ny mpanjakany avy eo anoloan'ny vavahadin' i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanan-dehibe rehetra any Joda.

16 Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin'ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an'ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!

17 Fa ianao kosa, ry Jeremia, misikina, mitsangana ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany.

18 Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanana mimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda halimo raha mifanandrina amin'ny mponina rehetra eto amin'ny tany, dia amin'ny mpanjakan'i Joda sy ireo mpitondra sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin'ny tany.

19 Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0547