Jeremià

Toko faha-36

1 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , no tonga tamin'i Jeremia izao teny avy tamin'ny TOMPO izao nanao hoe:

2 "Maka horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin'ny fanjakan'i Israely sy ny fanjakan'i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin'ny andron'i Josia fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.

3 Angamba hahatakatra ny fikasako handefa loza aminy ny olon'i Joda, ka samy hiala amin'ny toe-dratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany."

4 Dia niantso an'i Baroka zanakalahin'i Neria i Jeremia, ka nanonona taminy ny hafatra rehetra izay nampitondrain'ny TOMPO azy; ary nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ireny.

5 Avy eo dia nandidy an'i Baroka i Jeremia hoe: "Sakanana tsy hiditra ao an-tranon'ny TOMPO aho, ka tsy afaka mankany ny tenako.

6 Fa ianao kosa, mankanesa ao amin'ny andron'ny fifadian-kanina, dia vakio mafy ao ny hafatry ny TOMPO izay efa notononiko ka efa voasoratrao, ary ataovy ren'ny olona ao amin'ny tempoly mbamin'izay rehetra tonga avy amin'ireo tananan'i Joda izany.

7 Angamba hamboraka fifonana amin'ny TOMPO izy ary hiala amin'ny toe-dratsy;satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin'ity vahoaka ity."

8 Dia nataon'i Baroka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy, ka nankao an-tranon'ny TOMPO izy ary namaky mafy ny hafatry ny TOMPO voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy.

9 Tamin'ny volana fahasivy, taona fahadimy nanjakan'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , no nisehoan'izany, raha nantsoina hanao fifadian-kanina teo anatrehan'ny TOMPO ny mponina rehetra tao Jerosalema sy ny olona rehetra avy amin'ireo tananan'i Joda.

10 Koa teo imason'ny olona rehetra vory tao an-tranon'ny TOMPO no namakian'i Baroka mafy ny hafatr'i Jeremia voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy.Teo amin'ny efitrano natokana ho an'i Gemaria, zanakalahin'i Safana izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'ny TOMPO.

11 Nony avy nandre ny tenin'ny TOMPO rehetra izay novakin'i Baroka tao amin'ny horonan-taratasy i Mikaia, zanakalahin'i Gemaria sy zafikelin'i Safana,

12 dia nidina tao an-dapan'ny mpanjaka mba hankao amin'ny biraon'ny mpitantsora-panjakana. Nivory tao avokoa ny mpitondra fanjakana ambony: i Elisama mpitantsora-panjakana, i Delaia zanakalahin'i Semahia, i Elnatana zanakalahin'i Hakbora, i Gemaria zanakalahin'i Safana, i Tsidekia zanakalahin'i Hanania sy ireo mpitondra fanjakana hafa rehetra.

13 Notantarain'i Mikaia azy ny teny rehetra reny avy fony i Baroka namaky mafy teo anatrehan'ny olona rehetra ny hafatra voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy.

14 Koa naniraka an'i Jehody, zanakalahin'i Netania sy zafikelin'i Selemia sady zafiafin'i Kosy, ireo mpitondra fanjakana ireo mba hiantso an'i Baroka ho tonga ao aminy miaraka amin'ny horonan-taratasy eny am-pelatanany. Dia nentin'i Baroka ny horonan-taratasy ary nankany aminy izy.

15 Ary hoy ireo tamin'i Baroka:-Mipetraha ianao, ary vakio aminay iny horonan-taratasy iny. Dia novakiny taminy izany.

16 Nony ren'ireto mpitondra fanjakana ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy ka nilaza tamin'i Baroka hoe:-Tsy maintsy ampitainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.

17 Ary nanontany an'i Baroka ireo hoe:-Mba hazavao aminay ny fomba nanoratanao ireo hafatra rehetra ireo?

18 Dia novalian'i Baroka hoe:-I Jeremia no nanonona tamiko ireo hafatra rehetra ireo, ary izaho kosa no nanoratra azy tamin'ny ranomainty teo amin'ny horonan-taratasy.

19 Dia hoy ireo mpitondra fanjakana ambony tamin'i Baroka:-Mandehana miafina ianao sy i Jeremia, ka aoka tsy hisy hahalala izay misy anareo!

20 Dia navelan'ireo tao amin'ny biraon'i Elisama mpitantsora-panjakana ny horonan-taratasy fa lasa izy nankeo an-kianjan'ny lapa mba hitantara amin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra niseho.

21 Dia naniraka an'i Jehody ny mpanjaka mba haka ilay horonan-taratasy tao amin'ny biraon'i Elisama. Koa nalain'i Jehody ny horonan-taratasy ary novakiny mafy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpitondra fanjakana ambony rehetra izay nipetraka teo anilany.

22 Satria volana fahasivy tamin'izay dia nipetraka tao amin'ny trano fandaniany ny ririnina ny mpanjaka, ary nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.

23 Koa isaky ny mahavaky toko telo na efatra i Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ireny ka natsipiny tao anaty afo; koa farany dia tapitra may avokoa ny horonan-taratasy manontolo.

24 Takatry ny mpanjaka sy ireo manamboninahiny tokoa ny hafatra voasoratra tao amin'ny horonan-taratasy, nefa tsy nampiseho tahotra na mariky ny alahelo akory izy.

25 Ary na dia niangavy mafy tamin'ny mpanjaka aza i Elnatana sy i Delaia ary i Gemaria mba tsy handoroany ny horonan-taratasy, dia tsy nohenoiny;

26 fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimela, andriana zanakalahin'ny mpanjaka, sy i Seraia zanakalahin'i Hazriela sy i Selemia zanakalahin'i Habdela mba hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy i Jeremia mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.

27 Taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy nisy ny hafatra rehetra izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny fanononan'i Jeremia, dia tonga tamin'i Jeremia ny baikon'ny TOMPO nanao hoe:

28 "Maka horonan-taratasy iray hafa ianao ka soraty ao ireo hafatra rehetra tamin'ny horonan-taratasy voalohany izay nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda.

29 Avy eo ny amin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, dia hataonao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Nosoratan'i Jeremia tamin'ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan'i Babilona, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Joiakima sady nandoro ny horonan-taratasy."

30 Koa izao no lazaiko ny amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda: Tsy hanana zanakalahy hanjaka handimby azy eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida i Joiakima; ary hariana ny fatiny ka hianjadian'ny hafanana amin'ny antoandro sy ny hatsiaka amin'ny alina.

31 Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin'ny mponina eto Jerosalema ary amin'ny olon'i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory."

32 Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremia ka nomeny an'i Baroka, zanakalahin'i Neria sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin'i Jeremia, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin'ilay boky nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554