Jeremià
Toko faha-39
1 Tamin'ny volana fahafolo , taona fahasivy nanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda, dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano ny tananan'i Jerosalema.2 Nony andro fahasivin'ny volana fahefatra tamin'ny taona faha-11 nanjakan'i Tsedekia dia nisy voabanga ny mandan'ny tanana.
3 Nisesika niditra tao an-tanana ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan'i Babilona ary naka toerana teo amin'ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben'ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben'ireo tandapa, ary koa ireo sisa rehetra manamboninahitry mpanjakan'i Babilona.
4 Raha vao nahita izany i Tsedekia mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin'ny alina no niala tao an-tanana izy, ka namakivaky ny zaridainan'ny mpanjaka, izay nandalo tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa , ary nihazo ny lalana mankany amin'ny lohasahan'i Jordana.
5 Kanjo nanenjika azy ny tafika babilonianina ka nahatratra an'i Tsedekia tao amin'ny lemak'i Jerikao. Dia nisambotra ity mpanjaka izy ary nitondra azy tany amin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izay tao Ribla, tanin'i Hamata , tamin'izany fotoana izany. Tao no namoahan'i Nebokadnetsara didim-pitsarana hamelezana an'i Tsedekia.
6 Tao koa no nampamonoany ho faty ireo zanak'i Tsedekia roa lahy teo imason-drainy sy ireo andrianan'i Joda rehetra.
7 Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekia sady norohizany rojo vy mba hoentina any Babilona.
8 Ankoatra izany, dia nodoran'ny Babilonianina ny lapan'ny mpanjaka sy ny tranon'ny olona tao Jerosalema sady noravany ny mandan'ny tanana.
9 Ary ny mponina sisa tao an-tanana sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay tao zavatra sisa dia nalefan'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ho sesitany tany Babilona.
10 Kanefa nisy ihany ampahany tamin'ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy mananana inona na inona, no navelany teo amin'ny tany sady notolorany tanim-boaloboka sy tanimboly.
11 Ary i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona nanome baiko an'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ny amin'i Jeremia kananao hoe:
12 Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy,fa ataovy izay angatahany aminao!
13 Ary i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina nifanaraka tamin'i Nebosazbany izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben'ny etamazaoro sy ny sisa rehetra manamboninahitry ny mpanjaka,
14 ka nampaniraka haka an'i Jeremia tao an-kianjan'ny trano fiambenana, dia nanolotra azy teo an-tanan'i Gedalia, zanaka lahin'i Ahikama sady zafikelin'i Safana. Ary i Gadalia kosa dia namela an'i Jeremia hody any aminy. Dia niaina teo anivon'ny vahoaka i Jeremia.
15 Fa fony mbola voatana tao an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremia, dia nisy kosa tenin'ny TOMPO taminy nanao hoe:
16 "Mandehana lazao amin'i Hebeda-Meleka etiopianina hoe: 'Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'iIsraely: Indro efa nambarako tamin'ny mponin'ity tanana ity ny loza fa tsy ny soa. Noho izany dia hotanterahiko izay nolazaiko ary ho tsapanao tsy ho ela izany.
17 Nefa amin'ny andro izay hahatongavan'izany loza izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hafahako ianao, ka tsy hatolotro eo an-tanan'ireo olona atahoranao.
18 Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an'ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.'"