Jeremià

Toko faha-33

1 Fa raha mbola voatana teo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremia, dia nisy indray tenin'ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:

2 "Izao no lazain'ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:

3 Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.

4 - 5. Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza ny amin'ireo trano eto an-tanana sy ny lapan'ny mpanjakan'i Joda fa rava avokoa ireo. Ny amin'ny tovon-tany fanafihana sy ny ady kosa dia izao: Tsy ilaina ny hanoherana ny Babilonianina fa hahafeno faty eto an-tanana izany noho ny olona naripaky ny fahatezerako amam-pahavinirako. Fa ny haratsiana rehetra nataon'ny mponin'i Jerosalema no nahatonga Ahy tsy niraharaha ny tananany.

6 Kanefa indro Aho hitsabo an'i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin'ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana."

7 Haveriko amin'ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny.

8 Hodiovikoho afaka amin'ny heloka rehetra izay nataony tamiko izy; eny, havelako ny heloka rehetra izay nikomiany tamiko.

9 Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran'i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason'ny firenen-kafa rehetra ambonin'ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin'i Jerosalema ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy."

10 Izao no lazain'ny TOMPO: "Ianareo vahoakan'i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tananan'i Joda sy ny lalamben'i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin'izany toerana izany no mbola handrenesana indray

11 ny kotaban'ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran'ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn'izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran'ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy IzahoTOMPO, haveriko amin'ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany."

12 Izao koa no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao:"Eto amin'ity toerana ravaka tsy ahitana olona na biby fiompy ity sy amin'ny tananany rehetra dia hisy faritra hampandrian'ireompiandry ondry ny biby fiompiny.

13 Ao amin'ireo tanana any an-tendrombohitra sy any Sefela ary any Negeba, ao amin'ny faritanin'i Benjamina sy ny manodidina an'i Jerosalema ary ao amin'ireo tananan'i Joda, hoy Izaho TOMPO, dia handalo eo anatrehan'ny mpiandry azy indray ny ondry aman'osy mba hoisainy."

14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Indro avy ny andro izay hanatanterahako ny zava-tsoa nampanantenaiko ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda.

15 Amin'izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an'i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin'ny tany.

16 Amin'izay dia ho afaka ny fanjakan'i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin'i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an'i Jerosalema dia hoe "Ny TOMPO no fahamarinantsika."

17 Izao koa no lazain'ny TOMPO: "I Davida mpanjaka dia tsy ho tapaka mpandimby azy eo amin'ny seza fiandrianan'i Israely.

18 Ary ny mpisorona taranak'i Levy tsy ho tapaka olona hijoro eo anatrehako hanolotra sorona dorana manontolo, ary hampakatra ny eton'ny fanatitra sy ny sorom-pihavanana fanao isan'andro."

19 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia nanao hoe:

20 "Izao no lazain'ny TOMPO: Raha mahafoana ny fifanekena nataoko tamin'ny andro sy ny alina ianareo ka mahasakana ny andro sy ny alina tsy hiseho araka ny fotoanany,

21 dia ho foana ny fanekem-pihavanana nataoko tamin'i Davida mpanompoko ka tsy hanana zanaka lahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany izy, ary tsy hisy koa ny mpisorona taranak'i Levy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy.

22 Tsia, fa ny taranak'i Davida mpanompoko sy ny an'ireo levita izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy dia ho maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ka tsy ho hita isa ary toy ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy ho hita fatra."

23 Ary farany, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia nanao hoe:

24 "Tsy mba voamarikao angaha fa lazain'ny olona hoe nariako hono ireo fianakaviana roa nofidiko, dia i Israely sy i Joda? izay miteny izany anefa dia tsy mihevitra ny vahoakako ho firenena intsony fa manevateva azy.

25 Kanefa izao no lazaiko: Nanao fifanekena tamin'ny andro sy ny alina Aho, ary nametraka lalana mifehy ny lanitra sy ny tany.

26 Koa hariako ve ny taranak'i Jakoba sy ny an'i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba? Tsia, fa hamerina azy amin'ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy."""

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548