Jeremià
Toko faha-3
1 Hoy ny TOMPO tamiko: Raha misy lehilahy misaraka amin'ny vadiny ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa, moa mahazo mampody azy indray ve izy? Tsia, fa haloto ny tany. Kanefa ianao, ry Israely, dia efa lehilahy maro no nijangajanganao , hoy ny teny hentitry ny Tompo; ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?2 Atopazo eny amin'ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian'olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.
3 Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.
4 Ankehitriny anefa ianao dia sahy miantsoantso Ahy hoe: "Ry raiko sady sakaizako fahazaza,
5 mbola ho tezitra amiko ihany ve ianao ka hitahiry alahelo amiko hatrany? "Izany no teninao tamiko, nefa tsy nitsahatra nanao ratsy ianao, sady tena havanana tamin'izany.
6 Tamin'ny andron'i Josia mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: "Hitanao ve izay nataon'i Israely mpiodina? Nankeny amin'ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.
7 Dia hoy Aho anakampo hoe: Rehefa afaka izany dia hiverina amiko izy. Kanjo tsy niverina izy; ary nahita izany i Joda mpivadika rahavaviny.
8 Hitany fa nomeko taratasy fisaoram-bady i Israely mpiodina, ary nisaorako noho izy nijangajanga. Kanefa tsy natahotra akory i Joda mpivadika fa mba lasa koa aza izy nijangajanga.
9 Nijangajanga tamin'ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin'ny nataony.
10 Nefa na dia tao aza izany dia tsy mbola niverina tamiko tamin'ny fony fa tamin-tendro-molotra ihany i Joda mpivadika, rahavavin'i Israely. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany."
11 Fa mbola niteny tamiko indray ny TOMPO hoe: "Toa marimarina ihany i Israely mpiodina raha miohatra amin'i Joda mpivadika.
12 Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: "Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO;fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.
13 Kanefa aoka hiaiky heloka ianao fa nikomy tamiko TOMPO Andriamanitrao: nivezivezy nanaraka ireo andriamani-kafa ianao teny am-pototry ny hazo maitso rehetra teny fa tsy nihaino ny feoko: teny hentitra avy amiko TOMPO izany."
14 "Miverena amiko, ry zaza mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, satria Izaho no TOMPOnareo. Hangalako iray isan-tanana na roa isan-tarika ianareo ka hoentiko any an-tendrombohitra Tsiona.
15 Ka any no hanomezako anareo mpitondra araka izay sitrako sy afaka hitondra anareo amim-pahalalana sy amim-pahendrena.
16 Amin'izany fotoana izany, hoy ihany ny teny hentitry ny TOMPO, dia hanjary ho maro sy hitombo be dia be ao amin'ity tany ity ianareo. Tsy ho resahina intsony ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanako. Tsy ho ao an-tsain'ny olona intsony izany fa hohadinoiny, tsy hisy ho manina azy na hanao Vatamasina hafa."
17 Amin'izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe "Seza fiandrianan'ny TOMPO". Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran'ny fony ratsy.
18 Hankany amin'izay nielezan'ny vahoakan'i Israely ny vahoakan'i Joda ka hiara-miverina avy any amin'ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin'ny tany izay nomeko ny razany ho fananany. "
19 "Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko loha laharana amin'ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin'ny samy firenena? Amin'izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.
20 Kanjo toy ny vehivavy nisintaka tamim-badiny no nisintahanao tamiko, ry taranak'i Israely; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
21 Injany misy feo re any an-tampon-kavoana: tsy inona izany fa ireo Israelita izay mitomany sy mitaraina mafy satria diso lalana tamin'izay nalehany ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.
22 Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin'ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray."
23 Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan'i Israely famonjena.
24 Fa hatry ny fahazazanay dia efa lanin'io fivavahana mahamenatra nanompoana an'i Bahala io ny zavatra rehetra nisasaran'ny razanay,dia ny omby aman'ondriny sy ny osiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
25 Aoka hatory omban-kenatra izahay ka hanaiky ny fahafaham-baraka, satria efa nanao heloka teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray. Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino izay nolazain'ny TOMPO Andriamanitray hatry ny fahazazanay ka mandraka androany."