Jeremià
Toko faha-17
1 "Ny fahotan'ireo vahoakan'i Joda dia voasoratra tamin'ny vy na diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin'ny vato fisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron'ny alitarany ;2 ka ho marika hiampangana azy tokoa ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an'i Asera, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana
3 ary eny an tampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro ho robaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin'ireo toeram-tsampinao koa aza ho valin'ny ota nataonao tao amin'ny faritaninao manontolo.
4 Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay. "
5 Izao no lazain'ny TOMPO: "Voaozona izay mitoky amin'olombelona sy miantehitra amin'ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.
6 Ho tahaka ny anjavidy ao an-tany hay izy ka tsy hahita ny soa ho avy ; hitoetra an-tsaham-bato any an-taniefitra izy dia eo amin'ny tanin-tsira tsy azo onenana.
7 Fa hotahina izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.
8 Toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin'ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin'ny taonan'ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany.
9 "Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon'olombelona.Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.
10 Izaho Tompo kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an'eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona."
11 Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana , toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan'androny izy no ilaozan'izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany."
12 sezafiandrianana be voninahitra sady miteronterona hatrany am-boalohany no tempoly masina ho antsika.
13 Ry TOMPO fanantenan'i Israely o, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona o.
14 TOMPO o, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.
15 Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe: "Aiza ihany ity tenin'ny TOMPO? Aoka ho tanteraka amin'izay izany!"
16 Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza , Tompo o, na nirary hiavian'ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.
17 Aoka tsy ho fampitahorana ahy Ianao, fa Ianao no fialofako amin'ny androm-pahoriana!
18 Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.
19 Izao no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Mandehana, ka mijoroa eo amin'ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan'ny mpanjakan'i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanana izy; ary hanaovanao toy izany koa amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema.
20 Ka lazao amin'ny mpandalo hoe: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo mpanjakan'i Joda sy ianareo rehetra vahoakan'i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin'ireto vavahady ireto.
21 Izao no lazain'ny TOMPO: Mitandrema tena ianareo mba tsy hitondra entana amin'ny andro sabata ka hampandalo azy amin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo.
22 Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin'ny andro sabata na manao raharaha akory amin'izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.
23 Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nanda ny fampitandremako.
24 "Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin'ireo vavahadin'ny tanana ireo amin'ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.
25 Amin'izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan'i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin'ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanana ity dia honenana mandrakizay.
26 Amin'izay dia ho avy ireo olona avy amin'ny tananan'i Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema mbamin'ny faritanin'i Benjamina ary koa ireo olona avy eny amin'ny lemak'i Sefela sy ny tany be tendrombohitra mbamin'ny faritr'i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.
27 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo amin'ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanana; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty"