Jeremià

Toko faha-42

1 Tamin'izay ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila, indrindra i Johanana zanakalahin'i Karea sy i Hazaria zanakalahin'i Hosaia, ary koa ny vahoaka rehetra teo na kely na lehibe,

2 dia nanatona an'i Jeremia mpaminany ka niteny taminy hoe: -Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin'ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.

3 Mangataha amin'ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.

4 Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: -Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin'ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahinareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin'ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo.

5 Ary namaly an'i Jeremia ireo hoe: -Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan'ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.

6 Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankato ny feon'ny TOMPO Andriamanitsika izahay.

7 Nony afaka folo andro, dia tonga tamin'i Jeremia ny valin-tenin'ny TOMPO.

8 Koa nampiantso an'i Johanana zanakalahin'i Karea sy ireo olon-kafa mpifehy ny andia-miaramila izay niaraka taminy mbamin'ny vahoaka rehetra na kely na lehibe i Jeremia,

9 ary nanao taminy hoe: -Naniraka ahy hitondra ny fangatahanareo tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ianareo, ka izao no valin-teniny:

10 "Raha hiverina hipetraka ao amin'ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako , ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.

11 Koa aza matahotra ny mpanjakan'i Babilona intsony. Eny, Izaho TOMPO no manao teny hentitra hoe: Aza matahotra azy fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo teo am-pelatanany.

12 Hampirisika azy aho hamindrafo aminareo ary hamela anareo hiverina any an-taninareo."

13 Hoy ihany i Jeremia: -Kanefa mety tsy hanaraka ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hilaza tsy hipetraka amin'io tany io,

14 fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon'ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!

15 Ny amin'izay kosa dia mihainoa ny tenin'ny TOMPO ankehitriny ianareo izay sisa tavela amin'ny fanjakan'i Joda, fa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Raha mikiry hankany Ejipta ianareo ka mandeha hialokaloka any,

16 dia any no hahatratra anareo ny ady izay atahoranareo ary any no hanaraka anareo ny mosary izay ahinareo mafy ka hahafaty anareo.

17 Izay rehetra mikiry hankany Ejipta mba handeha hialokaloka any dia ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ka tsy hisy ho afaka amin'ny loza izay halefako hamely azy."

18 Dia niteny indray i Jeremia hoe: -Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponin'i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hahatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony."

19 Dia mbola nampian'i Jeremia hoe: -Ny TOMPO mihitsy no miteny aminareo sisa tavela amin'ny fanjakan'i Joda mba tsy hankany Ejipta. Aoka ho fantatrao tokoa fa vavolombelona aminareo aho androany.

20 Nanao hevitra kinangananga ianareo, raha naniraka ahy hanontany ny TOMPO Andriamanitrareo, ary nangataka ahy hivavaka ho anareo, ka nanao tamiko hoe: "Ampahafantaro anay avokoa izay rehetra nolazain'ny TOMPO Andriamanitsika, fa hataonay izany".

21 Nefa androany raha nitondra ny valin-teny avy amin'ny TOMPO Andriamanitsika aho, dia tsy mihaino Azy ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.

22 Noho izany, dia aoka ho fantatrareo tokoa fa ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo any amin'io tany izay tianareo haleha hialokalofana io!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0572