Jeremià

Toko faha-52

1 Feno 21 taona i Tsedekia fony tonga mpanjakan'i Joda; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin'i Jeremia avy ao Libna.

2 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.

3 Fa ny fahatezeran'ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin'i Jerosalema sy tamin'i Joda, ka niafara tamin'ny fandroahany an'ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona i Tsedekia.

4 Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin'ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanana ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an'i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan'i Tsedekia tamin'izay, ary andro fahafolon'ny volana fahafolo.

5 Naharitra hatramin'ny taona faha-11 nanjakan'i Tsedekia ny fanaovana fahirano.

6 Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanana fa tsy nanan-kohanina ny mponina. Ary tamin'ny andro fahasivin'ny volana fahefatra ,

7 dia nisy noloahan'ireo Babilonianina ny mandan'ny tanana. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin'ny Babilonianina aza ny tanana, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan'ny manda roa sady takaikin'ny sahan'ny mpanjaka , ary nihazo ny lalana mankany amin'ny lohasahan'i Jordana.

8 Kanjo nenjehin'ny miaramila babilonianina i Tsedekia mpanjaka ary tratrany teo amin'ny lemak'i Jerikao; dia nihahaka nandao an'i Tsedekia ny tafiny manontolo.

9 Rehefa voasambotra ny mpanjaka, dia nentina tany amin'ny mpanjakan'i Babilona izay tao Ribla anatin'ny faritr'i Hamata ; ary namoahan'i Nebokadnetsara didim-pitsarana tao izy.

10 Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin'i Tsedekia; ary tao Ribla koa no namonoana ho faty ireo mpiasam-panjakana jodeanina.

11 Avy teo dia nasain'i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason'i Tsedekia; ary nasainy nafatotra gadra halimo sy nentina ho any Babilona izy mba hatao an-tranomaizina ka nahibony tao ambara-pahafatiny.

12 Tamin'ny taona faha-19 nanjakan'i Nebokadnetsara, nony andro fahafolon'ny volana fahadimy , dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradana, filohan'ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan'i Babilona.

13 Izy no nandoro ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanana, indrindra ny an'ny olona ambony rehetra.

14 Ny manda manodidina an'i Jerosalema dia narodan'ny miaramila babilonianina rehetra izay niaraka tamin'ny filohan'ny mpiambina.

15 Ary nentin'i Nebozaradana ho babo ireo mponina sisa tao an-tanana, dia ireo fianakaviana mahantra vitsivitsy sy ireo olona nitolo-batana tamin'ny mpanjakan'i Babilona ary ny sisa tamin'ireo mpahay taozavatra.

16 Kanefa dia nisy ampahan'ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.

17 Nopotehin'ny Babilonianina ireo andry halimo tao an-tranon'ny TOMPO mbamin'ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja ; dia nentiny nankany Babilona avokoa ny halimo.

18 Nalainy koa ny fanaka halimo rehetra fampiasa tamin'ny fanompoam-pivavahana, dia ny vilany fasian-davenona sy ny sotron'afo mbamin'ny antsy sy ny tsatokaty famafazana ary ireo lovia madinika.

19 Nentin'ny filohan'ny mpiambina koa ny fitaovana volamena sy volafotsy rehetra: ny lovia, ny fandoroana zava-manitra, ny tsatokaty famafazana, ny fandrao fan-davenona, ny fitoeran-jiro ary ny kaopy sy ny tavoara.

20 Tsy hita lanja ny halimo tamin'ireo fanaka rehetra izay namboarin'i Salomona ho an'ny tranon'ny TOMPO: dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana miaraka amin'ireo ombilahy halimo 12 mitondra azy, ary ireo kalesy.

21 Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary enina metatra ny manodidina. Poakaty izy nefa misy valo santimetatra ny hatevin'ny metaly.

22 Misy lohany halimo tsirairay avy ny andry ka mahatratra roa metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.

23 Miisa 96 ireo ampongabendanitra teo amin'ny lafiny efatra, izany hoe ampongabendanitra zato no tontaliny tamin'ny manodidina ny harato.

24 Nosamborin'ny filohan'ny mpiambina i Seraia mpisorombe sy i Tsefania lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.

25 Nosamboriny koa ny mpiasam-panjakana iray mpiandraikitra ny miaramila sy ny olona fito lahy mpanolotsainan'ny mpanjaka, sy ny mpitantsoratr'ilay manamboninahitra misahana ny fiantsoana ho miaramila, ary ny teratany jodeanina miisa enimpolo lahy; fa samy hitany tao Jerosalema avokoa ireo.

26 Nentin'i Nebozaradana ho any amin'ny mpanjakan'i Babilona tao Ribla anatin'ny faritr'i Hamata izy rehetra

27 ary nasain'ny mpanjakan'i Babilona novonoina ho faty tao ihany. Toy izany no nitondrana ny vahoaka jodeanina ho babo lavitry ny taniny.

28 Ireto no isan'ireo olona nasain'i Nebokadnetsara nentina ho babo: tamin'ny taona fahafito nanjakany , Jodeanina 3023;

29 tamin'ny taona faha-18 nanjakany , olona 832 avy tao Jerosalema.

30 Tamin'ny taona faha-23 nanjakany , dia mbola nitondra Jodeanina 745 ho baboihany i Nebozaradana filohan'ny mpiambina. Koa ny tontalin'izy rehetra dia 6400.

31 Fony 37 taona taorian'ny fanaovana sesitany an'i Joiakina mpanjakan'i Joda, dia i Evila-Merodaky no tonga mpanjakan'i Babilona. Koa tamin'ny volana faha-12 tao anatin'io taona io, nony andro faha-27, dia nomeny famotsoran-keloka i Joiakina ka nasainy navoaka ny trano maizina.

32 Dia nanaovany teny mamy izy, ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an'ireo mpanjaka niaraka taminy tao Babilona.

33 Tsy navela hanao ny fitafian'ny mpigadra intsony i Joiakina; ary niara-nisakafo isan'andro tamin'ny mpanjakan'i Babilona izy nandritra ny andro sisa rehetra niainany.

34 Izany koa no nahazoan'i Joiakina tamin'ny mpanjakan'i Babilona ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan'andro mandra-pahafatiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0603