Jeremià

Toko faha-27

1 Tamin'ny fiandohan'ny nanjakan'i Tsedekia , zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda, dia nisy teny avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremia nanao hoe:

2 "Izao no voalazan'ny TOMPO: Manamboara mahazaka sy zioga ka lanjao eny an-tsorokao.

3 Avy eo dia alefaso any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy ny mpanjakan'i Moaba ary ny mpanjakan'ny Hamonita mbamin'ny mpanjakan'i Tiro sy ny mpanjakan'i Tsidona ireny. Ampitondray ireo maso ivohony tonga eto Jerosalema mba hihaona amin'i Tsedekia mpanjakan'i Joda ireny zioga ireny;

4 sady asaovy ampitainy tsara amin'ny Tompony avy ity hafatra ity: Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely ka hampitainareo amin'ny TOMPOnareo:"

5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby eny ambonin'ny tany tamin-kery lehibe sy tamim-pahefana tsy hay tohaina, ka manome azy ho an'izay tiako.

6 Koa ankehitriny dia atolotro eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sady mpanompoko ny taninareo rehetra; ary atolotro hanompo azy na dia ny bibidia aza.

7 Hanompo azy sy ny zanany mbamin'ny zafikeliny ny firenena rehetra ambara-pahatongan'ny andro hanompoan'ny taniny kosa an'ireo firenena matanjaka kokoa sy mpanjaka lehibe kokoa.

8 "Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain'i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan'i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.

9 Noho izany, dia aza henoinareo ny mpaminaninareo na ny mpisikidy milaza ny ho avy amin'ny antsapaka, na ny mpilaza nofy na ny mpanandro na ny mpimasy izay mihambo fa tsy hanompo an'i Nebokadnetsara ianareo."

10 Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.

11 Fa ny firenena, izay manaiky hitondra ny zioga ampitondrain'ny mpanjakan'i Babilona azy kosa ka manompo azy, dia havelako ho eo amin'ny taniny, ary ho afaka hamboly azy sy honina eo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

12 Araka izany hafatra izany koa no nilazan'i Jeremia tamin'i Tsedekia mpanjakan'i Joda hoe: "Maneke hitondra ny zioga izay ampitondrain'ny mpanjakan'i Babilona ianao sy ny vahoakanao, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.

13 Fa nahoana moa no tsy maintsy ho faty amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianao sy ny vahoakanao? Izany no hanjo ny firenena rehetra izay tsy manaiky hanompo ny mpanjakan'i Babilona araka izay voalazan'ny TOMPO.

14 Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan'i Babilona intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.

15 Hentitra kosa ny tenin'ny TOMPO hoe: "Tsy naniraka ireny Aho. Mihambo miteny amin'ny anarako izy, nefa mandainga. Koa raha mihaino azy ianareo, dia horoahiko hiala eto, ka ho lany ringana ianareo sy ireto mpaminany izay maminany aminareo."

16 Farany dia ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo no nitenenan'i Jeremia hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: "Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay milaza aminareo fa haverina haingana avy any Babilona ny fanaky ny tranon'ny TOMPO , satria lainga izay nambarany taminareo.

17 Aza mihaino azy fa manompoa an'i Nebokadnetsara, dia ho velona ianareo. Fa nahoana no avela ho rava ity tanana ity?"

18 Sady nampian'i Jeremia hoe: "Raha mpaminany tokoa ireo olona ireo, ka tena mitondra ny hafatra avy amin'ny TOMPO, dia aoka izy hangataka amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao mba tsy havelany hoentina any Babilona ireo fanaka sarobidy sisa mbola ao an-tranon'ny TOMPO sy ao an-dapan'ny mpanjakan'i Joda na eto an-tanana.

19 Fa manan-ko lazaina ny TOMPOn'izao rehetra izao momba ireo andry sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kovetabe misy faladia mbamin'ireo fanaka hafa mbola eto Jerosalema. (

20 I Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona manko tsy mbola nitondra ireo fitaovana ireo avy tao Jerosalema hankany Babilona fony izy nitondra an'i Jekonia , zanakalahin'i Joiakima sady mpanjakan'i Joda sy ireo olo-manankaja rehetra avy eto Joda sy i Jerosalema.)

21 Koa izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, ny amin'ireo fanaka sisa tafajanona ao an-tranon'ny TOMPO sy ao an-dapan'ny mpanjakan'i Joda na eto Jerosalema:

22 Hoentina any Babilona ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin'ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin'ity toerana ity indray. Izany no teny hentitry ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0751