Jeremià

Toko faha-41

1 Kanjo tamin'ny volana fahafiton'io taona io ihany dia tonga tany amin'i Gedalia tao Mitsepa, niaraka tamin'ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin'i Netania sy zafikelin'i Elisama; fianakavian'ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan'ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin'i Gedalia iny indrindra,

2 dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an'i Gedalia tamin'ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin'ny mpanjakan'i Babilona hitondra ny tany.

3 Avy eo dia novonoin'i Jismahela ho faty koa ireo Jodeanina rehetra hitany tao Mitsepa niaraka tamin'i Gedalia, mbamin'ireo miaramila babilonianina izay tao.

4 Roa andro taorian'ny namonoana an'i Gedalia ho faty, dia tsy mbola nisy olona nahalala izany ihany.

5 Koa nisy olona valopolo lahy avy any Sekema sy Silao ary Samaria, samy voaharatra ny volombavany sady voatriatra ny fitafiany ary voatetitetikany tenany. Nitondra koba sy vovo-javamanitra mba hatao fanatitra ao an-tranon'ny TOMPO izy.

6 Dia nivoaka hitsena azy avy tao Mitsepa i Jismahela sady nitomany teny am-pandehanana. Nony tonga teo aminy izy, dia nanao taminy hoe: -Mandrosoa ao amin'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama ianareo.

7 Kanjo raha vao tonga tao afovoan'ny tanana ireo, dia naringan'i Jismahela sy ny olony, ary natsipiny tao an-dava-drano ny fatiny.

8 Nisy folo lahy tamin'ireo anefa niteny tamin'i Jismahela hoe: -Aza vonoina izahay fa manana tahirin-tsakafo miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha sy orza ary diloilo sy tantely.Koa tsy nampamonoin'i Jismahela niaraka tamin'ireo namany izy folo lahy.

9 Ny lava-drano izay nasain'i Jismahela nanipazana ny fatin'ireo olona novonoiny dia lava-drano lehibe izay nasain'i Asa mpanjaka noloahana fony izy niady tamin'i Bahasa mpanjakan'i Israely. Nofenoin'i Jismahela faty izany.

10 Avy eo dia nentin'i Jismahela ho babo ny sisa tamin'ny mponina tao Mitsepa mbamin'ireo zanakavavin'ny mpanjaka, izany hoe ny olona rehetra napetrak'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina tamin'iGedalia; ka nitondra ireo babo ireo i Jismahela no lasa nankany amin'ny Hamonita.

11 Ary ren'i Johanana, zanakalahin'i Karea mbamin'ireo lehiben'ny andia-miaramila niaraka taminy ny ratsy rehetra efa nataon'i Jismahela.

12 Koa nanangona ny miaramilany rehetra izy ary niainga hanafika an'i Jismahela, ka nahatratra azy teo akaikin'ny farihin'i Gibehona.

13 Nony nahita an'i Johanana sy ireo lehiben'ny andia-miaramila niaraka taminy ny olona rehetra teo amin'i Jismahela, dia faly.

14 Ary ny olona rehetra izay nentin'i Jismahela ho babo avy tao Mitsepa dia niverina ilalana ka nanatona an'i Johanana.

15 Fa i Jismahela niaraka tamin'olona valo lahy kosa dia nandositra teo anatrehan'i Johanana ka nankany amin'ny Hamonita.

16 Taorian'izany i Johanana sy ireo lehiben'ny andia-miaramila niaraka taminy dia niandraikitra ny olona sisa rehetra izay nentin'i Jismahela ho babo avy tao Mitsepa taorian'ny namonoany ho faty an'i Gedalia zanakalahin'i Ahikama; ireo olona sisa rehetra ireo dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amam-behivavy ary ny tandapa, izay nentina niverina avy tany Gibehona.

17 Ary nandeha izy rehetra ka nijanona nitoby tao Kimehama akaikin'i Betlehema. Fa nikasa hankany Ejipta izy,

18 satria natahotra ny Babilonianina hatramin'ny namonoan'i Jismahela an'i Gedalia izay notendren'ny mpanjakan'i Babilona hitondra ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0658