Jeremià

Toko faha-20

1 Ary i Pasehora, zanakalahin'i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon'ny TOMPO, dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo hafatra ireo.

2 Koa namely tehamaina an'i Jeremia mpaminany izy sady namatotra azy tamin'ny tsatoka teo anilan'ny vavahadin'i Benjamina, dia ilay vavahady ambony mankao an-tranon'ny TOMPO.

3 Nony ampitso vao novahan'i Pasehora, teo amin'ny tsatoka i Jeremia. Ary hoy i Jeremia taminy: "Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan'ny TOMPO anao fa Magora-Misabiba, izany hoe "Fihorohoroana hatraiza hatraiza ".

4 Satria izao no lazain'ny TOMPO: "Indro hatolotro ho amin'ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin'ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona ny vahoakan'i Joda rehetra ka ho entiny ho babo any Babilona na ho vonoiny ho faty amin'ny sabatra.

5 Ny haren'ny mponin'ity tanana ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin'ireo raki-tsarobidin'ny mpanjakan'i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan'ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary ho entiny any Babilona.

6 Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin'izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho baboina. Ary rehefa tonga any Babilona ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin'ny namanao rehetra izay naminanianao lainga."

7 TOMPO o, notaominao aho ka voataona; ary nahery tamiko Ianao ka resy aho. Fihomehezana aho isan'andro sady fanebaky ny olona rehetra.

8 Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO o, no anakorana sy ihomehezana ahy isan'andro.

9 Ary raha hoy aho anakampoko hoe: "Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin'ny anaran'ny Tompo intsony", dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin'ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.

10 Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: "Fihorohoroana hatraiza hatraiza ". "Torio izy", hoy ny sasany; "Eny, hotorintsika izy", hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: "Izay angamba no hahavoa fitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty

11 Kanefa Ianao, TOMPO o, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina izany.

12 Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an'eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.

13 Mihira ho an'ny TOMPO; eny, ankalazao ny TOMPO, satria Izy no nanafaka ny malahelo teo an-tanan'ny olon-dratsy.

14 Ho voaozona anie ny andro nahaterahako , dia ny andro izay niterahan'i Neny ahy; eny, enga anie tsy hisy olona hilaza izany hoe ombam-pitahiana!

15 Ho voaozona anie ny olona izay nameno hafaliana ny raiko tamin'ny nitenenany hoe: "Tera-dahy ianao!"

16 Enga anie izany olona izany ho tahaka ireo tanana noravan'ny TOMPO fa tsy azo nivalozana. Aoka handre antso vonjy izy nony maraina, ary akoran'ady nony mitataovovonana.

17 Nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy ho faty hatrany am-bohoka? Dia ho nahatonga an'i Neny ho fasako izany, ka ho izy no ilay Ambatobevohoka.

18 Nahoana ny tenako no tafavoaka avy tao an-kibon-dreniko, raha hahita fahoriana sy fijaliana aho ka ho voakikin'ny henatra isan'andro izao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558