Jeremià

Toko faha-28

1 Tamin'iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda, andro iray tamin'ny volana fahadimy , dia nankao an-tranon'ny TOMPO i Hanania mpaminany, zanakalahin'i Hazora sady avy any Gibehona. Niteny tamin'i Jeremia teo imason'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:

2 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan'ny mpanjakan'i Babilona anareo.

3 Ka alohan'ny roa taona manomboka androany, dia haveriko eto ireo fanaka rehetra tato an-tranoko, fanaka izay nalain'i Nebokadnetsara mpanjaka ka nentiny tany Babilona.

4 Haveriko eto koa i Jekonia, zanakalahin'i Joiakima sady mpanjakan'i Joda, mbamin'ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilona, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan'ny mpanjakan'i Babilona anareo."

5 Fa namaly an'i Hanania mpaminany i Jeremia teo imason'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon'ny TOMPO

6 ka nanao hoe: "Eny, enga tokoa anie mba ho araka izay nolazainao no hataon'ny TOMPO! Hotanterahiny anie izay nambaranao ka haveriny avy any Babilona hanketo indray ireo fanaka rehetra tao an-tranon'ny TOMPO miaraka amin'ny babo rehetra!

7 Kanefa henoy tsara izao teny ataoko renao sy ren'ny vahoaka rehetra eto izao:

8 Efa nisy tokoa mpaminany hatry ny ela talohanao sy talohako. Ireny mpaminany ireny dia manambara hafatra tamin'ireo tany matanjaka sy fanjakana malaza; nefa ady sy loza ary areti-mandringana no nambarany mazana.

9 Fa raha misy mpaminany iray milaza fahasambarana, ny ahalalana fa nirahin'ny TOMPO tokoa izy dia rehefa tanteraka izay nolazainy."

10 Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga teo an-tsorok'i Jeremia mpaminany, ka nopotehiny.

11 Avy eo dia hoy i Hanania teo imason'ny vahoaka rehetra teo: "Izao nolazain'ny TOMPO: "Alohan'ny roa taona androany, dia hopotehiko tahaka izao ny ziogam-pamoretana angejan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona ny firenena rehetra." Dia lasa nandeha tamin'ny diany i Jeremia mpaminany.

12 Saingy taorian'ny nanapotehan'i Hanania mpaminany ny zioga izay nolanjain'i Jeremia teo an-tsorony, dia nisy baikon'ny TOMPO tamin'i Jeremia nanao hoe:

13 Ndeha lazao amin'i Hanania izao hafatry ny TOMPO izao: Satria nopotehinao ilay zioga hazo teo, dia zioga vy no hasolonao azy.

14 Sady nampian'i Jeremia hoe: "Izao manko no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Zioga vy no apetrako eny an-tsoroky ny firenena rehetra amin'ity faritany ity, ka hanompo an'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona izy; eny, na dia ny bibidia aza dia hampanekeko azy koa."

15 Avy eo dia hoy koa i Jeremia tamin'i Hanania mpaminany: "Henoy tsara aho, ry Hanania: Tsy naniraka anao ny TOMPO, fa ianao no nanosika ity vahoaka ity hiantehitra amin'ny lainga.

16 Koa lazain'ny TOMPO fa hoesoriny tsy ho eto ambonin'ny tany ianao; alohan'ny faran'ity taona ity, dia ho faty ianao satria nanosika ity firenena ity hikomy amin'ny TOMPO."

17 Dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny tokoa i Hanania mpaminany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055