Jeremià
Toko faha-14
1 Tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia noho ny hain-tany.2 "Misaona ny vahoakan'i Joda, simba ireo tanan-dehibeny; manjombona sy mipetraka manao laditany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan'i Jerosalema.
3 Irahin'ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin'ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.
4 Noho ny fangentan'ny tany fa tsy nisy orana latsaka taminy dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.
5 Na ny diera vavy eny an-tsaha aza, dia mahafoy ny zanany vao teraka satria tsy misy ahi-maitso intsony.
6 Ny borikidia koa mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, ka mihanahana manambolo rivotra toy ny fanaon'ny amboadia. Jambena ny masony
7 TOMPO o, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasa Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay."
8 Ry fanantenan'i Israely o, ry mpamonjy azy amin'ny androm-pahoriana, nahoana no dia toy ny vahiny eo amin'ny tany Ianao sy toy ny mpandeha milasy indray alina monja?
9 Nahoana no tahaka ny olona ankona ianao sy toy ny lehilahy mahery tsy afa-mamonjy? Kanefa dia eto afovoanay Ianao, TOMPO o; ary izahay dia natokana ho Anao, koa aza arianao. "
10 Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ity vahoaka ity: "Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony". Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.
11 Ary hoy ny TOMPO tamiko: -Aza mivavaka amiko mba hanasoa ity vahoaka ity intsony.
12 Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
13 Fa namaly aho hoe:-Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: "Tsy hiharan'ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin'ity toerana ity."
14 Dia hoy ny TOMPO tamiko: -Mandainga ireo mpaminany niteny tamin'ny anarako ireo, fa tsy naniraka nanandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.
15 Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin'ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin'ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin'ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin'ny farany.
16 Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.
17 Izao kosa no teny holazainao aminy: "Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman'alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan'ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.
18 Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanana aho, dia ireo matin'ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin'ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona."
19 "TOMPO o, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiona? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.
20 TOMPO o, ekenay ny faharatsianay sy ny fahadisoan'ny razanay fa efa nanota taminao izahay.
21 Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra dia aza atao tsinontsinona izahay. Tsarovy ka aza itsoahanao ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.
22 Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin'ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va no mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay,satria Ianao no manao ireo rehetra ireo."