Genesỳ
Toko 1 Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Toko 2 Dia vita ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy.
Toko 3 Ary ny bibilava no fetsy indrindra, tamin'ny bibidia rehetra nataon'ny TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dravehivavy: -Marina ve fa noraran'Andriamanitra tsy hihinana ny voan'ny hazo rehetra ao an-jaridaina ianareo?
Toko 4 Niraisan'i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an'i Kaina izy, ary nanao hoe: Nahazo zazalahy noho ny amin'ny TOMPO aho.
Toko 5 Ity no lisitry ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro naharian'Andriamanitra ny olombelona, dia nataon'Andriamanitra manahaka Azy ny olombelona.
Toko 6 Ary rehefa nanomboka nihamaro ny olona teto ambonin'ny tany ka niteraka zazavavy maro,
Toko 7 Hoy ny TOMPO tamin'i Noa: -Midira ao anatin'ny sambofiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao irery no hitako fa marina teo anatrehako tamin'izao taranaka izao.
Toko 8 Rehefa afaka izany, dia notsarovan'Andriamanitra i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao anatin'ny sambofiara; ka nampandalo rivo-mahery teny ambonin'ny tany Izy, dia niharitra ny rano.
Toko 9 Ary Andriamanitra nitsodrano an'i Noa sy ireo zanany lahy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.
Toko 10 Taorian'ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak'i Noa. Ireto no lisitry ny taranany:
Toko 11 Fiteny iray ihany ary voambolana mitovy no nampiasaina tamin'ny tany tontolo.
Toko 12 Hoy ny TOMPO tamin'i Abrama: -Miala amin'ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin'ny tany izay hasehoko anao.
Toko 13 Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin'ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lota.
Toko 14 Tamin'izany andro izany, i Amrafela mpanjakan'i Sinehara, i Arioka mpanjakan'i Elasara, i Kedorlahomera mpanjakan'i Helama, ary i Tidehala mpanjakan'i Goima,
Toko 15 Taorian'ireo zavatra ireo, dia niseho tamin'i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: -Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.
Toko 16 Ary i Saray, vadin'i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy
Toko 17 Rehefa feno 99 taona i Abrama, dia nisehoan' ny TOMPO ka nitenenany hoe: -Izaho no Andriamanitra Tsitoha; aoka handeha eo anatrehako ianao sady tsy hanan-tsiny;
Toko 18 Niseho tamin'i Abrahama tao amin'ny hazo oakan'i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy fa nafana ny andro. 2 Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.
Toko 19 Nony hariva dia tonga tao Sodoma ireo anjely roa. Nipetraka teo am-bavahadin'ny tanana i Lota tamin'izay. Raha vao nahita ireo izy, dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka teo anatrehany
Toko 20 Niala teo i Abrahama nankany amin'ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan'i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.
Toko 21 Nitahy an'i Sara ny TOMPO ka notanterahiny taminy tokoa izay nampanantenainy.
Toko 22 Taorian'izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: -Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: -Inty aho.
Toko 23 Rehefa niaina 127 taona i Sara,
Toko 24 Ary efa tena antitra be i Abrahama, sady notahin'ny TOMPO tamin'ny zavatra rehetra.
Toko 25 Mbola naka vady hafa indray i Abrahama, ka i Ketora no anarany.
Toko 26 Nisy mosary teo amin'ny tany, hafa noho izay niseho tamin'ny andron'i Abrahama; koa lasa i Itsehaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'i Filistinina tao Gerara.
Toko 27 Efa antitra i Itsehaka ary efa pahina ny masony ka tsy nahita tsara intsony. Dia niantso an'i Hesao zanany lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: -Ry Hesao a! Ary hoy ny navaliny azy: -Inty aho! Dia hoy i Itsehaka hoe:
Toko 28 Dia niantso an'i Jakoba i Itsehaka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: -Aza maka vady amin'ny zanakavavin'ny Kanahanita.
Toko 29 Ary niainga i Jakoba ka nankany amin'ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.
Toko 30 Ary rehefa hitan'i Rahely fa tsy niteraka izy, dia nialonany ny rahavaviny ka hoy izy tamin'i Jakoba hoe: -Mba omeo zanaka aho! Fa raha tsy izany, dia aleoko maty!
Toko 31 Kanefa ren'i Jakoba fa ny zanakalahin'i Labana efa nilaza hoe: Lasan'i Jakoba avokoa ny fananan-draintsika, ary avy tamin'izany fananan-draintsika izany no nananany izao harena rehetra izao.
Toko 32 Nifoha maraina koa i Labana ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.
Toko 33 Ary nitazana i Jakoba ka nahita an'i Hesao tamy miaraka amin'ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin'i Lea sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.
Toko 34 Indray andro dia nivoaka ny tanana i Dina, zanakavavin'i Lea tamin'i Jakoba, mba hitsidika zazavavy tao amin'ny faritany.
Toko 35 Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: -Miainga, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an'ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Hesao rahalahinao.
Toko 36 Toy izao no lisitry ny taranak'i Hesao na koa i Edoma.
Toko 37 Nipetraka tao amin'ny tany Kanahana i Jakoba, dia tao amin'ny faritany nivahinian-drainy.
Toko 38 Tamin'izany fotoana izany dia niala teo amin'ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin'ny lehilahy atao hoe Hira.
Toko 39 Tafidina tany Ejipta i Josefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Potifara, tandapan'ny Farao sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita.
Toko 40 Taorian'izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin'ny mpanjakan'i Ejipta tompony ny lehiben'ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben'ny mpanao mofo.
Toko 41 Ary nony afaka roa taona teo, dia nanonofy ny Farao: Nijoro teo amoron'i Neily hono izy,
Toko 42 Fantatr'i Jakoba fa misy vary any Ejipta, ka hoy izy tamin'ireo zanany lahy: -Nahoana no mifampijery fotsiny eto ianareo?
Toko 43 Mbola nanindry mafy tany Kanahana ny mosary.
Toko 44 Avy eo i Josefa dia nandidy ny mpikarakara ny ao an-tranony hoe: -Fenoy hanina araka izay zakany ny kitapon'ireo lehilahy ireo, dia apetraho ao am-bavan-kitapon'ny tsirairay avy koa ny volany.
Toko 45 Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason'ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Josefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin'i Josefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny.
Toko 46 Niainga i Jakoba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an'ilay Andriamanitr'i Itsehaka rainy.
Toko 47 Dia lasa i Josefa nampandre ny Farao hoe: -Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia tonga avy any amin'ny tany Kanahana, ka indreo ao amin'ny faritr'i Gosena izy.
Toko 48 Taorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa fa marary ny rainy. Dia nentin'i Josefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraima.
Toko 49 Nantsoin'i Jakoba ireo zanany ka nilazany hoe: -Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay zavatra hiseho aminareo any aoriana.
Toko 50 Dia nihohoka teo amin'ny tavan'ny rainy i Josefa, ary nitomany sady nanoroka azy.