Genesỳ
Toko faha-4
1 Niraisan'i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an'i Kaina izy, ary nanao hoe: Nahazo zazalahy noho ny amin'ny TOMPO aho.2 Dia mbola niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry, fa i Kaina kosa mpamboly.
3 Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran'i Kaina fanatitra ho an'ny TOMPO ireo vokatry ny tany.
4 I Abela koa nitondra ireo voalohan-teraky ny ondriny hatao sorona ka nanolotra ny jaborany ho an'ny TOMPO. Ary ny Tompo nankasitraka an'i Abela sy ny fanatiny,
5 fa tsy nankasitraka kosa an'i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy.
6 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Kaina: -Nahoana no tezitra sady manjombona tarehy ianao? Raha manao ny tsara ianao, moa tsy hahatraka?
7 Fa raha tsy izany, dia toy ny biby mamitsaka eo am-baravaranao ny ota. Te hanapaka anao izy, kanefa ianao no tokony hifehy azy.
8 Dia hoy i Kaina tamin'i Abela rahalahiny: -Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin'i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.
9 Ary ny TOMPO nanontany an'i Kaina hoe: -Aiza moa i Abela rahalahinao? Dia hoy i Kaina hoe: -Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10 Fa hoy kosa ny TOMPO hoe: -Inona ity nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy ao amin'ny tany.
11 Ankehitriny dia manozona anao ny tany izay misokatra hitelina ny ran'ny rahalahinao.
12 Raha hamboly ny tany ianao, dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izy; ka dia ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany ianao.
13 Dia niteny tamin'ny TOMPO i Kaina hoe: -Mavesatra loatra ny heloko!
14 Indro roahinao hiala eo amin'ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin'ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!
15 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: -Tsia, fa na iza na iza mamono anao ho faty, dia hovaliana impito heny. Dia nametrahan'ny TOMPO famantarana teo amin'i Kaina mba tsy hisy hamono azy ho faty izay mifanena aminy.
16 Ary niala teo anatrehan'ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Hedena.
17 Niraisan'i Kaina ny vadiny, dia nitoe-jaza ka niteraka an'i Henoka. Dia nanorina tanana i Kaina, ka nampitondrainy ny anaran'i Henoka zanany lahy.
18 I Henoka no ray niteraka an'i Hirada; i Hirada no ray niteraka an'i Mehojaela; i Mehojaela no ray niteraka an'i Metosaela; ary i Metosaela kosa no ray niteraka an'i Lameka.
19 Nanambady anankiroa i Lameka: ny voalohany dia natao hoe Hada, ary ny faharoa nantsoina hoe Tsila.
20 I Hada dia niteraka an'i Jabala: io no razamben'ireo mpitoetra an-day miaraka amin'ny biby fiompy.
21 Nisy rahalahiny natao hoe Jobala, io no razamben'ireo rehetra mpitendry kabosy sy mpitsoka sodina.
22 I Tsila kosa dia niteraka an'i Tobala-Kaina izay mpanefy ny zava-maranitra rehetra vita amin'ny varahina na vy. Ny anabavin'i Tobala-Kaina dia i Nahama.
23 Hoy i Lameka tamin'ny vadiny: -Ry i Hada sy i Tsila o, henoy aho! Ry vadin'i Lameka, atongilano ny sofinareo amin'ny teniko: Namono nahafaty olona aho satria nokapohiny, ary namono nahafaty tovolahy aho satria noratrainy.
24 Raha valiana fito heny izay mahafaty an'i Kaina, dia hovaliana 77 heny kosa izay mamono mahafaty an'i Lameka.
25 Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon'i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: -Nomen'Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon'i Abela izay novonoin'i Kaina ho faty.
26 Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enosa. Hatreo vao nivavaka tamin'Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.