Genesỳ

Toko faha-25

1 Mbola naka vady hafa indray i Abrahama, ka i Ketora no anarany.

2 Niteraka enin-dahy tamin'i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimrana sy i Joksana, i Medana sy i Midiana ary i Jisbaka sy i Soa.

3 I Joksana no rain'i Seba sy i Dedana; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak'i Dedana.

4 Ny zanakalahin'i Midiana dia i Hefa sy i Hefera, i Hanoka sy i Abida ary i Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak'i Ketora.

5 Nomen'i Abrahama an'i Itsehaka avokoa izay rehetra nananany.

6 Dieny mbola velona kosa i Abrahama no samy notolorany fanomezana ireo zanaky ny vadikeliny ary nampanalaviriny an'i Itsehaka zanany hankany amin'ny tany atsinanana.

7 Nahatratra dimy amby fitopolo amby zato taona no nahaveloman'i Abrahama,

8 dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin'ny razany.

9 I Itsehaka sy i Jismahela zanany no nandevina azy tao amin'ny lava-baton'i Makpela, ao amin'ny sahan'i Hefrona zanakalahin'i Tsohara izay Hetita, dia ilay saha ao akaikin'i Mamre.

10 Novidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta io saha io, ary tao no nandevenana an'i Abrahama sy i Sara vadiny.

11 Taorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia notahin'Andriamanitra i Itsehaka zanany, izay nonina tao akaikin'ny fantsakana Lahay-Roy.

12 Izao no lisitry ny taranak'i Jismahela, zanakalahin'i Abrahama, naterak'i Hagara ilay Ejiptianina mpanompovavin'i Sara.

13 Ireto avy no anaran'ny zanakalahin'i Jismahela araka ny laharan'ny nahaterahany: i Nebaiota sy i Kedara, i Adbeela sy i Mibsana,

14 i Misma sy i Doma, i Masa

15 sy i Hadada, i Tema sy i Jetora ary i Nafisy sy i Kedma.

16 Ireo no zanak'i Jismahela 12 lahy, samy lehiben-tarika avy. Samy mitondra ny anarany avy ny tananany sy ny tobiny.

17 Nahatratra 137 taona i Jismahela vao niala aina, ary maty ka nakambana tamin'ny razany.

18 Ny nipetrahan'ny taranak'i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havila ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin'i Ejipta tamin'iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin'ireo taranak'i Abrahama hafa no nitoerany.

19 Izao no tantaran'i Itsehaka: I Itsehaka dia zanakalahin'i Abrahama.

20 Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an'i Rebeka, anabavin'i Labana sady zanakavavin'i Betoela izay Aramianina tao Padana-Arama.

21 Nitaraina tamin'ny TOMPO ho an'ny vadiny i Itsehaka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin'ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebeka vadiny.

22 Nifandaka ireo zaza kambana tao an-kibony, ka hoy Rebeka hoe: -Raha toy izany, nahoana re aho no nitoe-jaza? Dia lasa nanontany ny TOMPO izy.

23 Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.

24 Nony tonga ny andro hiterahany, dia niteraka zaza kambana tokoa i Rebeka.

25 Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany.

26 Taorian'izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr'i Hesao ka natao hoe Jakoba ny anar Taorian'izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr'i Hesao ka natao hoe Jakoba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehaka tamin'ny nahaterahan'izy mirahalahy.

27 Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakoba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.

28 I Itsehaka dia tia an'i Hesao, satria nankafy ny hazany; fa i Rebeka kosa tia an'i Jakoba.

29 Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakoba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy,

30 ka nangataka taminy hoe: -Mba omeo kely amin'io sakafo efa menafify io aho fa reraka. (Izany no niantsoana azy tamin'ny anaram-bositra hoe Edoma na Ilaimena).

31 Dia namaly azy i Jakoba hoe: -Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.

32 Dia hoy i Hesao hoe: -Inty hono aho ka ho faty, dia hataoko inona moa izay fizokiana?

33 Fa namaly indray i Jakoba hoe: -Mianiana amiko ary ianao izao anio izao. Dia nianiana taminy izy ka nivarotra tamin'i Jakoba ny fizokiany.

34 Ary nomen'i Jakoba mofo sy voanemba masaka i Hesao ka nihinana sy nisotro. Avy eo izy dia niainga ary lasa nandeha fa tsy niraharaha ny fizokiany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0594