Genesỳ

Toko faha-14

1 Tamin'izany andro izany, i Amrafela mpanjakan'i Sinehara, i Arioka mpanjakan'i Elasara, i Kedorlahomera mpanjakan'i Helama, ary i Tidehala mpanjakan'i Goima,

2 dia niady tamin'i Bera mpanjakan'i Sodoma sy i Birsa mpanjakan'i Gomora sy i Sinaba mpanjakan'i Adma sy i Semebera mpanjakan'i Tseboima ary ny mpanjakan'i Bela na hoe Tsohara.

3 Izy rehetra ireo dia nifamotoana tao amin'ny lohasahan'ny Sidima, izay rakotry ny Ranomasina Maty ankehitriny.

4 Nandritra ny roa ambin'ny folo taona izy ireo dia nanompo an'i Kedorlahomera fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa izy dia nikomy.

5 Tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga i Kedorlahomera mbamin'ireo mpanjaka nomba azy ka nandresy ireo Refaita tao Hastarota-Karnaima sy ny Zozita tao Hama sy ireo Emita tao amin'ny lemak'i Kiriataima

6 ary ireo Horita tao an-tendrombohitr'i Sehira ka hatrany Ely-Parana izay akaikin'ny taniefitra.

7 Avy eo dia niverina ho any Haina-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan'ny Hamalekita mbamin'ireo Amorita izay nonina tao Hatsetsona-Tamara.

8 Dia niroso ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Tseboima ary ny mpanjakan'i Bela na hoe Tsohara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin'ireo tao an-dohasahan'i Sidima,

9 izany hoe i Kedorlahomera mpanjakan'i Helama, sy i Tidehala mpanjakan'i Goima, sy i Amrafela mpanjakan'i Sinehara, ary i Arioka mpanjakan'i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin'ny efatra.

10 Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin'ny lohasahan'i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy i Gomora, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.

11 Nofaohin'ireo mpandresy avokoa ny haren'ny tao Sodoma sy tao Gomora mbamin'ny sakafo rehetra, dia lasa izy ireo.

12 Nofaohiny niaraka tamin'ireo koa i Lota zana-drahalahin'i Abrama izay nonina tao Sodoma mbamin'ny fananany dia lasa izy ireo.

13 Ary nisy lehilahy iray afa-nandositra, dia tonga nanambara ny vaovao tamin'i Abrama ilay Hebreo nonina an-day tao amin'ny hazo oakan'i Mamre, izay Amorita rahalahin'i Eskola sy i Hanera; fa izy telo lahy dia efa vita fihavanana tamin'i Abrama.

14 Nony ren'i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin'ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin'ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.

15 Natsitokotokon'i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin'ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hoba, any avaratr'i Damasy.

16 Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananany ary ireo vehivavy mbamin'ny olon-kafa rehetra.

17 Ary rehefa niverina avy nandresy an'i Kedorlahomera sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, dia niainga ny mpanjakan'i Sodoma mba hitsena azy tao an-dohasahan'i Save, izany hoe tao an-dohasahan'ny mpanjaka.

18 Dia nitondra mofo sy divay i Melkitsedeka mpanjakan'i Salema sady mpisoron'ilay Andriamanitra avo indrindra,

19 ary nitsodrano an'i Abrama hoe: -Hotahin'Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!

20 Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen'i Abrama an'i Melkitsedeka ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

21 Ary ny mpanjakan'i Sodoma dia niteny tamin'i Abrama hoe: -Omeo ahy ny olona fa ento ho anao kosa ny harena.

22 Fa namaly azy i Abrama hoe: -Atsangako amin'ny TOMPO Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ny tanako

23 hianianako fa tsy mba handray avy amin'izay rehetra anao aho, na dia singan-kofehy na fehin-kapa iray aza. Sao manko lazainao hoe: Izaho no nampanankarena an'i Abrama.

24 Izay nohanin'ireo zatovoko ihany no hotazoniko. Ary ny anjaran'ireo lehilahy niaraka tamiko, izany hoe ny an'i Hanera sy i Eskola ary i Mamre, dia izy ireo ihany no handray izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554