Genesỳ

Toko faha-9

1 Ary Andriamanitra nitsodrano an'i Noa sy ireo zanany lahy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.

2 Hisy tahotra sy horohoro anareo ao amin'ny biby rehetra eny ambonin'ny tany mbamin'ny voro-manidina sy ny bibikely ary ao amin'ny trondro rehetra anaty ranomasina, satria nomena ho eo am-pelatananareo ireny.

3 Izay rehetra velona sy mihetsiketsika dia omeko ho sakafonareo avokoa tahaka ny nanomezako ny anana ho anareo.

4 Kanefa kosa ny nofo miaraka amin'ny ainy, izany hoe miaraka amin'ny rany, dia aza haninareo mihitsy.

5 Ary ny ranareo koa, izay ainareo, dia hadiniko amin'ny biby izay namono olona ho faty tahaka ny hanadinako ny olona namono ho faty ny olona toa azy. Eny, hadiniko ny momba ny ain'ny olona:

6 Izay mandatsaka ran'olona dia halatsak'olona koa ny rany, satria mitovy endrika amin'Andriamanitra no nanaovany ny olona.

7 Fa ianareo kosa dia maroa fara sy mihabetsaha eo amin'ny tany ary mitomboa be dia be eo aminy.

8 Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Noa sy ireo zanany lahy niaraka taminy:

9 Indro Aho hanorina ny fanekempihavanako aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo,

10 ary amin'ny zava-mananaina rehetra eo aminareo na ny vorona, na ny biby fiompy na ny bibidia, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny sambofiara niaraka taminareo.

11 Izao no fanekempihavanana haoriko aminareo: tsy hisy rano avy amin'ny safo-drano intsony handripaka ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony mandrakizay.

12 Dia mbola nampian'Andriamanitra hoe: Izao no ataoko mariky ny fanekempihavanantsika ho Ahy sy ho anareo ary ho an'ny zava-mananaina rehetra miaraka aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby.

13 Apetrako eny amin'ny rahona ny avako ho mariky ny fanekempihavanana eo amiko sy amin'ny tany.

14 Ka isaky ny mampivondrona rahona eny ambonin'ny tany Aho ka miseho ny avana,

15 dia hotsarovako ny fanekempihavanako taminareo sy tamin'ny zava-mananaina rehetra, izany hoe ny voaary rehetra; ka tsy hisy intsony rano hanjary safo-drano handringana ny voaary rehetra.

16 Ho eny amin'ny rahona ny avana ary hojereko mba hampahatsiaro Ahy ny fanekempihavanana mandrakizay eo amiko sy eo amin'ny zava-mananaina rehetra ary eo amin'ny voaary rehetra izay eny ambonin'ny tany.

17 Dia mbola naverin'Andriamanitra tamin'i Noa hoe: Izany no famantarana momba ny fanekempihavanana izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny voaary rehetra izay eny ambonin'ny tany.

18 Ny zanakalahin'i Noa, izay nivoaka avy tao amin'ny sambofiara, dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta. I Hama no rain'i Kanahana.

19 Izy telo lahy ireo no zanak'i Noa, ary avy tamin'ireo no niparitahan'ny olombelona eran-tany.

20 I Noa no mpiasa tany voalohany namboly voaloboka.

21 Nisotro divay izy ka mamo ary nitanjaka tao an-dainy;

22 I Hama rain'i Kanahana, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany.

23 Nalain'i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianotra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy.

24 Ary nony efa nisava ny hamamoan'i Noa, ka fantany izay nataon'ny zanany faralahy taminy,

25 dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahana! Aoka izy ho faraidiny amin'ireo mpanompon'ny rahalahiny!

26 Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr'i Sema! Aoka i Kanahana ho mpanompon'i Sema!

27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie ny toeran'i Jafeta ka hanana fonenana ao amin'i Sema izy, ary aoka i Kanahana koa ho mpanompony!

28 Mbola velona 350 taona i Noa taorian'ny safo-drano.

29 Dia maty i Noa rehefa feno 950 taona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564