Genesỳ

Toko faha-35

1 Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: -Miainga, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an'ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an'i Hesao rahalahinao.

2 Dia hoy i Jakoba tamin'ny ankohonany sy izay rehetra niaraka taminy: -Ario avokoa ireo andriamani-kafa eo aminareo, ka midiova ary misoloa fitafiana.

3 Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an'Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin'ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin'izay rehetra nalehako.

4 Dia natolony an'i Jakoba ireo andriamani-kafa rehetra tany am-pelatanany mbamin'ireo kavina teny an-tsofiny, ka nalevin'i Jakoba teo am-pototr'ilay hazo midoroboka tao akaikin'i Sekema.

5 Ary rehefa niala teo ry i Jakoba sy ny zanany, dia nampihorohoroin'Andriamanitra ireo tanana manodidina, ka tsy nisy sahy nanarakaraka azy avy taoriana.

6 I Jakoba sy ireo rehetra niaraka taminy dia tonga tao Lozy, izany hoe tao Betela izay ao amin'ny tany Kanahana.

7 Ary nanamboatra alitara teo izy, ka niantso an'io toerana io hoe Andriamanitr'i Betela; satria teo no nisehoan' Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.

8 Ary maty i Debora, izay nitaiza an'i Rebeka, ka nalevina teo akaikin'i Betela, teo am-pototry ny hazo oaka izay nantsoina hoe Hazo oaka fitomaniana nanomboka hatreo.

9 Rehefa niverina avy tany Mezopotamia ambony i Jakoba, dia nisehoan' Andriamanitra indray sady notsofiny rano

10 ary nitenany hoe: -I Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon'Andriamanitra hoe Israely ny anarany;

11 sady hoy koa Izy taminy: -Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mihamaroa sy mitomboa, ka hisy firenena sy vondrom-pirenena hipoitra avy aminao ary mpanjaka maro avy amin'ny taranakao.

12 Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy i Itsehaka.

13 Dia niala teo amin'ny toerana izay nitenenany tamin'i Jakoba Andriamanitra.

14 I Jakoba kosa nanorina tsangambato teo ka nanoso-menaka ilay tsangambato sy nandraraka divay teo amboniny.

15 Dia nantsoin'i Jakoba hoe Betela na Tranon'Andriamanitra io toerana izay nitenenan'Andriamanitra taminy io.

16 Niala tao Betela i Jakoba sy ny ankohonany. Raha mbola lavidavitra an'i Efrata no nisy azy mianakavy, dia teraka i Rahely; nefa saro-piterahana izy.

17 Fa raha sahirana teo am-piterahana iny i Rahely, dia hoy ny mpampivelona taminy: -Aza matahotra fa mbola zazalahy no ho anao!

18 Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bena-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran'ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamina na zanaky ny tanan-kavanana.

19 Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dalana mankany Efrata, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.

20 Dia nanorenan'i Jakoba tsangambato teo ambonin'ny fasany izay mbola antsoina mandraka androany hoe Tsangambatom-pasan'i Rahely.

21 Dia niala teo i Jakoba ka nanorin-day tao ambadik'i Migdala-Hedera.

22 Fa raha mbola nipetraka tamin'izany faritany izany i Jakoba, dia lasa i Reobena nandry tamin'i Bileha vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakoba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin'ny folo ny zanakalahin'i Jakoba;

23 i Reobena no lahimatoan'i Jakoba tamin'i Lea, avy eo dia i Simehona, i Levy, i Joda, i Jisakara ary i Zebolona.

24 I Josefa sy i Benjamina kosa no zanany tamin'i Rahely.

25 I Dana sy Naftaly no zanany tamin'i Bileha mpanompovavin'i Rahely.

26 I Gada sy i Asera no zanany tamin'i Zilpa, mpanompovavin'i Lea. Ireo no zanakalahin'i Jakoba teraka tany Mezopotamia ambony.

27 Ary nandeha i Jakoba nankany amin'i Itsehaka rainy tany Mamre, tao akaikin'i Kiriata-Arba izay antsoina hoe Hebrona ankehitriny, fa tao Mamre no nivahinian'i Abrahama sy i Itsehaka.

28 Efa nisy valopolo amby zato taona ny andron'i Itsehaka,

29 no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin'ny razany. I Hesao sy i Jakoba zanany no nandevina azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.056