Genesỳ

Toko faha-48

1 Taorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa fa marary ny rainy. Dia nentin'i Josefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraima.

2 Rehefa nampandrenesina i Jakoba fa tonga hamangy azy i Josefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy.

3 Ary hoy i Jakoba tamin'i Josefa: -Niseho tamiko tao Lozy tany amin'ny tany Kanahana ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy

4 sady niteny tamiko hoe: Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.

5 Hoy izy nanampy izany: -Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan'ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin'i Reobena sy i Simehona mihitsy i Manase sy i Efraima.

6 Fa ireo zanakao lahy izay ho teraka aorian'ireo kosa dia ho anao ihany. Ao amin'ny faritanin'ireo zokiny ihany no handraisan'izy roa lahy ny anjara lovany.

7 Fony aho niverina avy any Mezopotamia ambony, talohan'ny hahatongavana tao Efrata, any amin'ny tany Kanahana, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dalana; i Efrata dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny.

8 Tamin'izay dia tazan'i Jakoba ireo zanakalahin'i Josefa ka nanontaniany hoe: -Iza moa ireto?

9 Hoy kosa ny navalin'i Josefa azy: -Ireo no zanaka lahy izay nomen'Andriamanitra ahy teto Ejipta. Ka hoy i Jakoba hoe: -Mba ento eto anilako ary ireo, dia hotsofiko rano.

10 Efa pahina ny mason'i Jakoba noho ny fahanterana ka tsy nahita loatra intsony; dia nampanatonin'i Josefa azy ireto zanany lahy. Ary namihina ireo i Jakoba sady nanoroka azy.

11 Dia hoy izy tamin'i Josefa: -Tsy nanantena hahita anao intsony aho, kanjo indro izao fa navelan'Andriamanitra hahita ny zanakao aza aho.

12 Nanaisotra azy mirahalahy teo an-dohalik'i Jakoba i Josefa, dia niankohoka tamin'ny tany.

13 Noraisiny tamin'ny tanany havanana i Efraima ka narosony ho eo an-kavian'i Jakoba, ary noraisiny tamin'ny tanany havia kosa i Manase mba ho eo an-kavanan'i Jakoba, dia nampanatoniny an-draibeny indray izy mirahalahy.

14 Fa nampifamadihin'i Jakoba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin'ny lohan'i Efraima na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin'ny lohan'i Manase, kanefa izy io no lahimatoa.

15 Toy izao ny tsodrano nomen'i Jakoba an'i Josefa: Antsoiko Andriamanitra hitsodrano, fa teo anatrehany no nizoran'i Abrahama raibeko sy i Itsehaka raiko; antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;

16 antsoiko ilay Anjely Izay nanavotra ahy tamin'ny loza rehetra; dia hotahiny anie ireto zazalahy ireto! Ka amin'ny alalan'izy roa lahy no hahatsiarovana ny anarako mbamin'ny anaran'i Abrahama raibeko sy i Itsehaka raiko! Hitombo maro dia maro eo anivon'ilay tany anie izy! 17 Hitan'i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin'ny lohan'i Efraima ny tanany havanana ka tsy sitrany izany. Dia noraisiny ny tanan-drainy mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima hankeo amin'ny lohan'i Manase;

18 sady hoy i Josefa tamin-drainy: -Tsy izao no izy, ry dada; fa ity no lahimatoa, koa apetraho eo an-dohany ny tananao havanana.

19 Fa nanda i Jakoba ka nanao hoe: -Fantatro dia fantatro, anaka, fa ho tonga firenen-dehibe koa i Manase. Kanefa ny zandriny dia ho lehibe noho izy, ary ny taranany dia ho firenena maro.

20 Tamin'izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakoba ka niteny toy izao: -Ny anaranareo no hitsofan'ny Israelita rano ka hilazany hoe: Tahaka ny nataon'Andriamanitra tamin'i Efraima sy i Manase anie no hataony aminao! Araka izany, dia napetrak'i Jakoba alohan'i Manase i Efraima.

21 Ary hoy i Jakoba tamin'i Josefa: -Indro ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any an-tanindrazanareo.

22 Ary izaho manome anao zaratany iray fatratra kokoa noho ny an'ireo rahalahinao, dia ny faritr'i Sekema izay azoko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tanan'ny Amorita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759