Genesỳ

Toko faha-46

1 Niainga i Jakoba sy izay rehetra azy ka tonga tao Beera-Seba; dia nanao sorona teo izy ho an'ilay Andriamanitr'i Itsehaka rainy.

2 Nony alina dia niteny taminy tao anaty fahitana Andriamanitra ka nanao hoe: -Ry Jakoba! Ry Jakoba! Ary hoy ny navalin'i Jakoba Azy: -Inty aho!

3 Dia hoy indray Izy hoe: -Izaho no Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra hidina any Ejipta ianao; fa hataoko firenena lehibe any.

4 Hidina hiaraka aminao any Ejipta Aho, ary Izaho koa no mbola hampiakatra anao avy any indray; ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao, rehefa maty ianao.

5 Dia niala tao Beera-Seba i Jakoba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an'i Jakoba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin'ny sarety izay efa nalefan'ny Farao hitondrana azy.

6 Nentin'ireo koa ny biby fiompiny mbamin'ny fananana hafa izay nohariny tao amin'ny tany Kanahana. Dia tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny taranany rehetra niaraka taminy,

7 fa nasainy nentina tany Ejipta avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy mbamin'ny zafikeliny.

8 Ireto no anaran'ny Israelita tonga tany Ejipta, dia i Jakoba sy ny zanaka aman-jafiny: I Reobena, lahimatoan'i Jakoba,

9 ary ireo zanany lahy, dia i Hanoka, i Palo ary i Hetsirona sy i Karmy.

10 I Simehona sy ireo zanany lahy, dia i Jemoela sy i Jamina, i Ohada sy i Jakina ary i Tsohara sy i Saola; io Saola io dia zanak'ilay vehivavy kanahanita.

11 I Levy sy ireo zanany lahy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.

12 I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Sela sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onana, dia efa maty tany amin'ny tany Kanahana. Ary ny zanakalahin'i Peretsa dia i Hetsirona sy i Hamola.

13 I Jisakara sy ireo zanany lahy, dia i Tola sy i Pova ary i Jasoba sy i Simrona.

14 I Zebolona sy ireo zanany lahy, dia i Sereda sy i Elona ary i Jahiliela.

15 Ireo no zanakalahin'i Jakoba naterak'i Lea tany Mezopotamia ambony, miampy an'i Dina anabaviny. Ny isan'izy rehetra mbamin'ny zanany na lahy na vavy dia telo amby telopolo.

16 I Gada sy ireo zanany lahy, dia i Tsifiona sy i Hagy, i Sony sy i Etsibona, i Hery sy Arody ary i Arely.

17 I Asera sy ireo zanany lahy, dia i Jimna sy i Jisva ary i Jisvy sy i Beriha, fa i Sera kosa no anabaviny. Ary ny zanakalahin'i Beriha dia i Hebera sy i Malkiela.

18 Ireo telo ambin'ny folo lahy ireo no taranak'i Jakoba tamin'i Zilpa izay nomen'i Labana ho mpanompovavin'i Lea.

19 Ary ny zanakalahin'i Rahely vadin'i Jakoba kosa dia i Josefa sy i Benjamina.

20 Tany Ejipta i Josefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraima, tamin'i Asenata vadiny, izay zanakavavin'i Potifera mpisorona tao Ona. 21 Folo no zanakalahin'i Benjamina: i Bela sy i Bekera, i Asbela sy i Gera, i Nahamana sy i Ehy, i Rosy sy i Hopima ary i Mopima sy i Arda.

22 Ireo izy efatra ambin'ny folo lahy taranak'i Rahely sy i Jakoba.

23 Dia ao koa i Dana sy i Hosima zanany lahy.

24 I Naftaly sy ireo zanany lahy, dia i Jahatsiela sy i Gony ary i Jetsera sy i Silema.

25 Ireo fito lahy ireo no taranak'i Jakoba tamin'i Bileha izay nomen'i Labana ho mpanompovavin'i Rahely.

26 Ny isan'ny ankohonan'i Jakoba rehetra, izany hoe ireo taranany mivantana izay tonga tany Ejipta, dia 66 ankoatra ireo vinantovaviny.

27 Ampian'ireo zanakalahin'i Josefa anankiroa teraka tany Ejipta izany, dia fitopolo no isan'ny ankohonan'i Jakoba rehetra tonga tany Ejipta.

28 Nirahin'i Jakoba hialoha azy any amin'i Josefa i Joda mba hiangavy azy hankany Gosena. Rehefa tonga tany Gosena i Jakoba sy ny ankohonany,

29 dia nanomana ny kalesiny i Josefa ka nandeha hihaona amin'ny rainy tany Gosena. Raha vao nahita an'i Jakoba izy, dia niantoraka teny am-bozony ary nitomany ela teo sady namihina azy.

30 Dia hoy i Jakoba taminy: -Mahazo modimandry amin'izay aho, satria mbola velona ihany ianao sady nifanatri-tava tamiko.

31 Dia hoy i Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny olon-kafa ankohonan-drainy: -Handeha hampandre ny Farao aho ka hilaza aminy fa ireo rahalahiko sy ny olon-kafa ankohonan-draiko izay tany amin'ny tany Kanahana dia efa tonga eto amiko.

32 Holazaiko aminy fa lehilahy mpiandry ondry sy mpiompy ianareo, ka nentinareo koa ny omby sy ny ondry aman'osinareo ary izay rehetra anananareo.

33 Koa rehefa mampiantso anareo ny Farao ka manontany hoe: Inona no raharahanareo?,

34 dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin'ny fahazazanay ka mandraka izao. Amin'izay dia hahazo mipetraka ao amin'ny faritr'i Gosena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551