Genesỳ
Toko faha-22
1 Taorian'izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: -Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: -Inty aho.2 Dia hoy Andriamanitra hoe: -Ento i Itsehaka zanakao lahitokana izay tianao; dia mandehana any amin'ny tany Moria eo ambonin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko anao, ka atolory ho sorona dorana eo izy.
3 Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin'ny toerana izay voatondron'Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehaka zanany lahy.
4 Nony afaka ampitso maraina dia tazan'i Abrahama tery lavitra tery ny tendrombohitra izay halehany.
5 Koa hoy izy tamin'ireo zatovony roa lahy: -Mijanona eto ianareo miaraka amin'ny boriky, fa izaho sy ny zazalahy handeha hatreny an-tendrombohitra mba hivavaka amin'Andriamanitra, dia hiverina aty aminareo indray.
6 Dia nalain'i Abrahama ny kitay hanaovana sorona ka natataony an'i Itsehaka zanany; fa izy kosa nitondra ny vainafo sy ny antsy. Ary raha mbola niara-nandeha izy mianaka,
7 dia hoy i Itsehaka tamin'i Abrahama rainy: -Dada o! Ka novaliany hoe: -Mihaino anao aho, anaka. Ary hoy i Itsehaka hoe: -Indreo ny vainafo sy ny kitay, fa aiza kosa ny zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo?
8 Fa namaly azy i Abrahama hoe: -Andriamanitra no hahita izay zanak'ondry hatao sorona dorana manontolo, anaka! Dia niara-nanohy ny diany izy mianaka.
9 Rehefa tonga teo amin'ny toerana izay voatondron'Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an'i Itsehaka zanany izy, ka nametraka azy teo amin'ny alitara, teo ambony kitay.
10 Ary naninji-tanana handray ny antsy i Abrahama mba hamonoana ny zanany.
11 Fa niantso azy avy any an-danitra ny anjelin'ny TOMPO ka nanao hoe: -Abrahama o! Abrahama o! Hoy kosa ny navalin'i Abrahama azy: -Inty aho.
12 Dia hoy indray ilay anjely: -Aza maninji-tanana amin'io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.
13 Dia nanopy maso i Abrahama ka nahatazana ondrilahy iray voasarangotry ny kirihitr'ala ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondrilahy, ka nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho solon'ny zanany lahy.
14 Dia nataon'i Abrahama hoe Ny TOMPO no hahita ny anaran'izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.
15 Ary ny anjelin'ny TOMPO niantso an'i Abrahama fanindroany avy tany an-danitra
16 ka nanao taminy hoe: -Izao no lazain'ny TOMPO noho ianao nanao izany zavatra izany, ka tsy niaro ny zanakao lahitokanao tamiko, dia ny tenako no ianianako
17 fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tananan'ireo fahavalony.
18 Amin'ny alalan'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko.
19 Dia niverina nankeny amin'ny zatovony i Abrahama. Niainga izy rehetra ka niaraka nankany Beera-Seba; dia teo no niorim-ponenana i Abrahama.
20 Taorian'izany, dia ren'i Abrahama fa tera-dahy maro tamin'i Nahora rahalahiny koa i Milka:
21 dia i Hotsa lahimatoa sy i Boza rahalahiny, i Kemoela rain'i Arama,
22 i Keseda sy i Hazao, i Pildasy sy i Jildafa ary i Betoela.
23 Izy valo lahy no naterak'i Milka tamin'i Nahora rahalahin'i Abrahama. I Betoela no rain'i Rebeka.
24 Mbola nanana vadikely natao hoe Reoma i Nahora ka niterahany an'i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Maheka.