Genesỳ
Toko faha-33
1 Ary nitazana i Jakoba ka nahita an'i Hesao tamy miaraka amin'ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin'i Lea sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.2 Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Lea sy ireo zanany, ary taty afara i Rahely sy i Josefa.
3 I Jakoba kosa no nandeha teo alohan'izy rehetra. Niankohoka impito tamin'ny tany i Jakoba mandra-pahatongany teo amin'i Hesao rahalahiny.
4 Dia nihazakazaka nitsena azy i Hesao, ka namihina ny vozony sady nanoroka azy; ary niara-nitomany izy mirahalahy.
5 Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe: -Ary iza ireto miaraka aminao ireto? Hoy kosa i Jakoba hoe: -Ireo no zaza nomen'Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany.
6 Dia nanatona ireo mpanompovavy sy ny zanany ka niankohoka.
7 Nanatona ihany koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany dia nanatona koa i Josefa sy i Rahely ka niankohoka.
8 Ary nanontany i Hesao hoe: -Inona moa no anton'ny nandefasanao ireny fanomezana rehetra izay nifanena tamiko ireny? Ka hoy i Jakoba hoe: -Mba handraisanao ahy tsara, tompokolahy.
9 Fa hoy i Hesao hoe: -Manambe aho, ry rahalahy; aoka ho anao ihany ny anao!
10 Dia novalian'i Jakoba hoe: -Aza manao izany re ianao, fa raha mba sitrakao ihany aho, dia raiso ny fanomezana natolotro anao. Fa raha nahita tava anao aho teo, dia hoatry ny nahita ny tavan'Andriamanitra, noho ianao tsara fandray ahy.
11 Koa miangavy aho, raiso ny fanomezana izay nampitondraiko ho anao satria efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny ilaiko rehetra aho. Niangavy azy mafy i Jakoba, ka dia noraisiny ihany ny fanomezana.
12 Ary hoy i Hesao hoe: -Ahorony ny entana, dia andeha isika hanainga fa hiaraka aminao aho.
13 Namaly kosa i Jakoba hoe: -Fantatrao, tompokolahy, fa marefo ny zaza, ary ondry aman'omby ampianahany no miaraka amiko; koa raha hododosana indray andro monja ireo biby ireo, dia ho faty avokoa izy.
14 Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian'ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira.
15 Dia hoy i Hesao: -Havelako aminao ireo oloko sasany miaraka amiko. Fa hoy i Jakoba hoe: -Hatao inona moa izany? Fa ampy ahy rehefa nataonao tsara fandray aho, tompokolahy.
16 Koa dia niverina androtr'iny ihany i Hesao ho any Sehira.
17 Fa i Jakoba kosa nivily ho any Sokota, dia nanao trano ho azy sy tranotomboka ho an'ny andiam-biby fiompiny. Izany no niantsoana io toerana io hoe Sokota, izany hoe Tranotomboka.
18 Rehefa niverina avy tany Mezopotamia ambony i Jakoba, dia tonga soa aman-tsara tao an-tanana Sekema izay eo amin'ny tany Kanahana; dia nitoby teo akaikin'ny tanana izy.
19 Novidiny vola zato kesita tamin'ny taranak'i Hamora, mpanorina ny tanana Sekema, ny sombin-tany teo amin'ny saha izay nanorenany ny lainy.
20 Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elohe-Israely ny anaran'ilay alitara.