Genesỳ
Toko faha-34
1 Indray andro dia nivoaka ny tanana i Dina, zanakavavin'i Lea tamin'i Jakoba, mba hitsidika zazavavy tao amin'ny faritany.2 Nahita an'i Dina i Sekema zanakalahin'i Hamora izay hivita lehiben'ny faritany, ka naka azy an-keriny sy nandry taminy.
3 Nifikitra tamin'i Dina zanakavavin'i Jakoba izy fa tia azy, ka nanao teny nambabo ny fony.
4 Dia hoy izy tamin'i Hamora rainy: -Alaovy ho ahy iny zazavavy iny mba ho vadiko.
5 Ren'i Jakoba fa nolotoin'i Sekema i Dina zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan'ireo.
6 Niainga ho any amin'i Jakoba i Hamora rain'i Sekema mba hiresaka aminy.
7 Nony tonga avy tany an-tsaha ireo zanakalahin'i Jakoba ka nandre ny vaovao, dia nahatsiaro ny tenany ho afa-baraka sady nirehi-pahatezerana mafy, satria zava-pady ny nandrian'i Sekema an-keriny tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra tsy fanao izany tao Israely.
8 I Hamora anefa dia nilaza tamin'izy ireo hoe: -Raiki-pitia amin-drazazavavy i Sekema zanako lahy. Koa mba omeo ho vadiny re izy!
9 Hifanaraka isika ka ny zanakareo vavy homenareo ho anay ary ny zanakay vavy kosa halainareo ho anareo.
10 Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manana zaratany eto.
11 I Sekema mihitsy no tonga niteny tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny hoe: -Mba amindrao fo aho fa homeko anareo izay takinareo amiko.
12 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takinareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy.
13 Dia namaly an'i Sekema sy i Hamora rainy tamin'ny hafetsena ireo zanakalahin'i Jakoba, satria nandoto an'i Dina anabaviny izy.
14 Ka hoy ireto taminy: -Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho vadin'ny lehilahy tsy voafora, fa manala baraka anay izany.
15 Izao anefa: ekenay ny hevitrareo, raha hoforana mitovy aminay ny lehilahy rehetra eo aminareo.
16 Amin'izay dia homenay ho vadinareo ny tovovavinay, ary ny anareo kosa halainay ho vadinay; dia hiara-monina isika, ary hanjary firenena iray ihany.
17 Fa raha tsy manaiky hoforana kosa ianareo, dia halainay ny anabavinay ary handeha izahay.
18 Sitrak'i Hamora sy i Sekema zanany lahy ny soso-kevitra.
19 Koa tsy nitaredretra akory ilay tovolahy nanatanteraka izany zavatra izany, satria raiki-pitia tamin'ny zanakavavin'i Jakoba izy; ary izy no to teny indrindra tao amin'ny fianakaviany.
20 Koa nankeo amin'ny toerana teo am-bavahadin'ny tanana i Hamora sy i Sekema, ary nikabary tamin'ireo olona tao an-tananany nanao hoe:
21 -Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin'ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin'izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.
22 Manaiky hiara-monina amintsika ireo olona ireo, raha tahiny ny lehilahy rehetra ato amintsika hoforana tahaka ny azy.
23 Raha manaiky ny teniny isika, dia hiara-mipetraka amintsika izy ireo, ka ho lasantsika miandalana koa ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny biby rehetra mpitondra ny entany.
24 Samy nanaiky ny soso-kevitr'i Hamora sy i Sekema ny olona rehetra teo am-bavahady, koa noforana avokoa ny lehilahy rehetra tao an-tanana.
25 Tamin'ny andro fahatelo taorian'izany, raha mbola nararim-pery mafy iny ireo lehilahy ireo, dia nandray sabatra ny zanakalahin'i Jakoba, dia i Simehona sy i Levy anadahin'i Dina, ka niditra an-tsokosoko tao an-tanana, ary nandringana ny lehilahy rehetra tao;
26 ka anisan'izany koa ry i Hamora sy i Sekema zanany lahy. Dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy roa lahy, ka lasa nandeha.
27 Ireo zanakalahin'i Jakoba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanana noho ny nandotoana ny anabaviny.
28 Nalainy avokoa ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny, dia ny tao an-tanana sy tany an-tsaha.
29 Nobaboiny ny hareny rehetra mbamin'ny zaza amam-behivavy, ka nofaohiny avokoa ny zavatra tao an-trano.
30 Dia hoy i Jakoba tamin'i Simehona sy i Levy: -Nampidi-doza ahy ianareo fa nahatonga ahy ho mangidy hoditra amin'ny mponina tompon-tany, dia ny Kanahanita sy ny Perizita. Hitambatra hamely ahy ireo, dia handresy ahy satria olom-bitsy no eto amiko; ka ho fongotra ny tenako sy ny fianakaviako.
31 Fa namaly ireo hoe: -Nahoana no ho toy ny vehivavy mpivaro-tena no anaovany ny anabavinay?