Genesỳ

Toko faha-43

1 Mbola nanindry mafy tany Kanahana ny mosary.

2 Koa rehefa lany avokoa ny vary rehetra nentina avy tany Ejipta, dia hoy i Jakoba tamin'ireo zanany lahy: -Andeha indray ianareo miverina mividy sakafo ho antsika.

3 Fa namaly azy i Joda nanao hoe: -Ilay tompon'ny tany dia nanafatrafatra mafy anay hoe: Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.

4 Koa raha alefanao hiaraka aminay i Benjamina, dia handeha hidina hividy sakafo ho anao izahay.

5 Fa raha tsy alefanao kosa izy, dia tsy handeha izahay satria ralehilahy io dia nilaza taminay hoe: Tsy handray anareo aho, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.

6 Ary hoy i Jakoba hoe: -Nahoana no dia nampidi-doza ahy ianareo ka nilaza tamin'izany lehilahy izany fa mbola manana rahalahy ianareo? 7 Ka namaly ireo hoe: -Ralehilahy io no namotopototra mafy momba anay sy momba ny fianakavianay, ka nanontany hoe: Mbola velona ve ny rainareo? Mbola manana rahalahy ve ianareo. Ary izahay dia namaly fotsiny ny fanontaniany, fa tsy nampoizinay ny hilazany hoe: Ampidino aty ny rahalahinareo.

8 Ary i Joda kosa nanampy hoe: -Avelao, ry Dada, hiaraka amiko io zanakao io; fa tsy maintsy mandeha izahay, raha te ho velona fa tsy ho faty ianao sy ny tenanay ary ny fianakaviantsika.

9 Izaho no hiantoka azy ka azonao takina amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.

10 Ary ankehitriny raha tsy nitaredretra izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.

11 Ka hoy i Jakoba tamin'ireo zanany: -Raha izany ary, dia izao no ataovy: Mitondra an-kitaponareo zavatra tsara vokatry ny tany mba hataonareo fanomezana ho an'ilay Ejiptianina. Mitondra zava-manitra isan-karazany: menaka manitra, ladana, tantely, voam-boatavo, ary amandy.

12 Mitondra vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.

13 Dia ento ny rahalahinareo ary miainga ka miverena any amin'izany lehilahy izany.

14 Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an'i Benjamina sy i Simehona hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy homban-janak Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an'i Benjamina sy i Simehona hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy homban-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.

15 Dia nentin'izy mirahalahy avy ny fanomezana sy ny vola ary koa i Benjamina; dia niainga izy niara-nidina nankany Ejipta, ka niseho teo anatrehan'i Josefa.

16 Ary rehefa hitan'i Josefa fa niaraka tamin'ireo i Benjamina, dia hoy izy tamin'ny mpikarakara ny ao an-tranony: -Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro.

17 Notanterahin-dralehilahy ny baikon'i Josefa; ary nentiny tany an-tranon'i Josefa ireo,

18 dia raiki-tahotra satria naiditra tao ka nifampilaza hoe: Noho ilay vola naverina tao anaty kitapom-barintsika teo aloha izay no nampidirana antsika eto mba hahavoa antsika sy hakany ny borikintsika ary hanandevozany ny tenantsika.

19 Koa rehefa teo am-baravarana izy ireo, dia nanatona an'ilay mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa ka niresaka taminy hoe:

20 -Aza fady aminao, tompoko! Efa tonga taty indray mandeha izahay teo aloha mba hividy sakafo.

21 Nony tonga teo amin'ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,

22 ary nitondra vola hafa koa izahay mba hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty kitaponay.

23 Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: -Milamina ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin'ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehona,

24 ka nasainy niditra tao an-tranon'i Josefa izy rehetra, ary nomeny rano hanasany tongotra; sady nomeny vilona koa ny borikiny.

25 Nanomana ny fanomezana ireo mandra-piavin'i Josefa tamin'ny antoandro, satria efa reny fa hiara-misakafo aminy eo izy.

26 Vao niditra i Josefa, dia natolotr'ireo azy ny fanomezana sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.

27 Dia nanontany ny fahasalaman'izy ireo i Josefa, sady nanampy hoe: -Ary mba manao ahoana ilay rainareo efa antitra izay nolazainareo tamiko? Moa mbola velona ihany ve izy?

28 Ka hoy ny navaliny azy: -Salama tsara ilay mpanomponao sady rainay, ary mbola velona izy. Dia niondrika sy niankohoka ireo.

29 Ary nanopy maso i Josefa ka nahita an'i Benjamina rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: -Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian'i Josefa hoe: -Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!

30 Feno loatra ny fon'i Josefa nahita ity zandriny ka nitady hitomany izy; dia niala faingana teo izy ka niditra tao amin'ny efitranony ary nitomany tao.

31 Rehefa avy nanasa tarehy izy, dia niditra indray. Notsindriany ny fihetseham-pony ary nasainy naroso ny sakafo.

32 Norosoana sakafo mitokana i Josefa, natao mitokana ny an'ireo rahalahiny, ary nihinana mitokana koa ireo Ejiptianina nasaina fa tsy mahazo mihinana miaraka amin'ny Hebreo satria fady izany.

33 Nipetraka nanoloana an'i Josefa arakara-jokiny ireo rahalahin'i Josefa, manomboka amin'ny lahimatoa ka miafara amin'ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.

34 Nasain'i Josefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an'i Benjamina dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin'ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin'i Josefa izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566