Genesỳ
Toko faha-23
1 Rehefa niaina 127 taona i Sara,2 dia maty tao Kiriata-Arba, izany hoe tao Hebrona, any amin'ny tany Kanahana. Dia tonga i Abrahama mba hisaona sy hitomany an'i Sara.
3 Dia nitsangana niala teo amin'ny faty izy ary lasa niteny tamin'ny terak'i Heta hoe:
4 -Vahiny sy mpifindra monina ihany aho eto aminareo. Omeo toeram-pandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny vadiko.
5 Dia namaly azy ny terak'i Heta hoe:
6 -Tompokolahy o, mba mihainoa anay: filoha notahin'Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin'izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.
7 Nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anoloan'ny terak'i Heta, vahoaka tompon-tany,
8 ka niteny tamin'ireo hoe: -Raha ekenareo tokoa ary ny handevenana ny vadiko eto, dia anaovy fanelanelanana amin'i Hefrona zanakalahin'i Tsohara aho
9 mba hanomezany ahy ny lava-bato ao Makpela amin'ny sisin'ny sahany. Aoka ho amin'ny tena vidiny no hanomezany azy ho ahy eto anatrehanareo ho toeram-pandevenana.
10 Ary i Hefrona ilay Hetita tamin'izay dia nipetraka teo anivon'ny olona tafavory. Koa namaly an'i Abrahama izy mba ho ren'ny Hetita rehetra tonga teo am-bavahadin'ny tanana, ka nanao hoe:
11 -Tsia, tompokolahy, fa henoy aho! Ny saha dia omeko anao ary ny lava-bato izay eo aminy koa dia omeko anao; eto imason'ireto mpiray foko amiko no anomezako azy maimaim-poana; koa aleveno ao ny fatin'ny vadinao.
12 Fa niankohoka teo anatrehan'ny vahoaka tompon-tany indray i Abrahama,
13 dia niteny tamin'i Hefrona mba ho ren'ny besinimaro ka nanao hoe: -Raha marina fa hihaino ahy tokoa ianao, mba raiso avy amiko ny vidin'ny saha efa natolotro; dia haleviko ao tokoa ny fatin'ny vadiko.
14 Dia namaly an'i Abrahama indray i Hefrona hoe:
15 -Tompokolahy o, henoy aho! Izay tany lanjambidy efajato sekela volafotsy ve dia ho inona amiko sy aminao? Fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
16 Dia nifanaraka tamin'i Hefrona i Abrahama ka nandoa ny vola izay voalazany teo anatrehan'ireto Hetita, dia sekela volafotsy efajato fampiasa amin'ny mpivarotra.
17 Koa ny sahan'i Hefrona izay tao Makpela akaikin'i Mamre, izany hoe ny saha sy ilay lava-bato tao aminy mbamin'ny hazo rehetra tao anatin'ny faritra manodidina azy, dia natao varo-maty
18 tamin'i Abrahama mba ho fananany. Vavolombelon'izany ny Hetita rehetra tonga nivory teo am-bavahadin'ny tanana.
19 Taorian'izany i Abrahama dia nandevina ny fatin'ny Sara vadiny, tao amin'ilay lava-bato tao amin'ny saha Makpela akaikin'i Mamre, izany hoe Hebrona ao amin'ny tany Kanahana.
20 Koa ny saha sy ilay lava-bato ao aminy dia nataon'ny terak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama mba ho toeram-pandevenana.