Genesỳ

Toko faha-39

1 Tafidina tany Ejipta i Josefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Potifara, tandapan'ny Farao sady lehiben'ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Jismahelita.

2 Ary ny TOMPO nomba an'i Josefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon'ilay Ejiptianina tompony izy;

3 ary hitan'ity tompony fa nomban'ny TOMPO i Josefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.

4 Ary nahafaly fatratra ny tompony i Josefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.

5 Nanomboka hatreo, noho ny amin'i Josefa, dia notahin'ny TOMPO ny tao an-tranon'ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian'ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanana.

6 Noho izany dia navelany teo am-pelatanan'i Josefa avokoa ny fananany rehetra; ka tsy nihevitra na inona na inona intsony i Potifara, afa-tsy izay sakafo hohanin'ny tenany ihany. Tovolahy tsara tarehy sady bikana i Josefa.

7 Taorian'ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin'i Josefa ny vadin'ny tompony, ka nanao taminy hoe: -Avia handry amiko!

8 Fa hoy ny navalin'i Josefa azy: -Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.

9 Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin'Andriamanitra?

10 Isan'andro isan'andro dia mbola nanangoly an'i Josefa ihany ilay vehivavy; fa tsy nanaiky handry na hiray aminy izy.

11 Indray andro dia niditra tao an-trano i Josefa mba hanao ny raharahany, ary tsy nisy mpanompo tao an-trano.

12 Dia nosamborin'ny vadin'i Potifara tamin'ny lambany izy, ka nataony hoe: -Avia handry amiko! Fa navelan'i Josefa teny an-tanan-dravehivavy ny lambany, dia nandositra nivoaka ny trano izy.

13 Nony hitan-dravehivavy fa nandositra i Josefa ka namela ny lambany teo an-tanany,

14 dia niantso vonjy tamin'ireo mpanompony izy ka nanao hoe: -Jereo fa nentina taty amintsika iny lehilahy hebreo iny mba hanadala antsika. Nanatona ahy saika handry tamiko izy, kanjo niantsoantso mafy aho.

15 Fa raha vao nandre ahy nanandra-peo sy niantsoantso izy, dia nandositra nivoaka ny trano ka namela ny lambany teto anilako.

16 Dia napetrak'ilay vehivavy teo anilany teo ihany ilay lamba mandra-pahatongan'ny vadiny tao an-trano.

17 Dia nitantara tamin'ny vadiny araka ireo teny ireo koa izy ka nanao hoe: Nanatona ahy mba hanadala ahy ilay mpanompolahy hebreo nentinao taty amintsika iny.

18 Fa nanandra-peo sy niantsoantso aho, dia lasa nandositra nivoaka ny trano izy ka namela ny lambany teto anilako.

19 Tezitra mafy ilay tompon'i Josefa, rehefa nandre ny fitantaran'ny vadiny izay nataon'ny mpanompony taminy.

20 Koa nasain'i Potifara nosamborina i Josefa sy nasainy nohidina tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin'ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Josefa,

21 dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin'ny lehiben'ny fonja.

22 Dia natolotr'ilay lehiben'ny fonja teo an-tanan'i Josefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon'ireo mpigadra.

23 Koa ilay lehiben'ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin'ny zavatra rehetra nankininy tamin'i Josefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055