Genesỳ

Toko faha-11

1 Fiteny iray ihany ary voambolana mitovy no nampiasaina tamin'ny tany tontolo.

2 Saingy rehefa nikisaka niantsinanana ny olona, dia nahita l Saingy rehefa nikisaka niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka tao amin'ny tany Sinehara ary niorim-ponenana tao.

3 Dia nifampiresaka izy ka nanao hoe: Andao isika hanao biriky tanimanga ka handotra azy amin'ny afo. Ny biriky no nataony solon'ny vato ary ny molanga no nataony solon'ny rihitra.

4 Avy teo dia hoy koa ireo hoe: Andeha isika hanorina tanana misy tilikambo mahatakatra ny lanitra ny tendrony! Amin'izay dia halaza isika ka tsy hiparitaka amin'ny velaran'ny tany.

5 Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanana sy ny tilikambo izay naorin'ny zanak'olombelona.

6 Ka hoy IZY hoe: Indro ankehitriny fa firenena iray ihany izy rehetra ary fiteny tokana ihany no ampiasainy. Raha izany no fiandohan-javatra hataony, dia tsy hisy hahasakana azy tsy hahatanteraka izay kasainy.

7 Koa andeha isika hidina hanakorontana ny fiteniny mba tsy hifankahazoany fiteny intsony.

8 Koa tao ny TOMPO no nampiely ny olona ho amin'ny velaran'ny tany tontolo; ary dia nilaozan'ireo ny fananganana ilay tanana.

9 Izany no niantsoana io tanana io hoe Babela, satria tao no nanakorontanan'ny TOMPO ny fitenin'ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin'ny velaran'ny tany tontolo.

10 Toy izao no lisitry ny taranak'i Sema. Efa feno zato taona i Sema raha niteraka an'i Arpaksada, roa taona taorian'ny safo-drano. Taorian'ny nahaterahan'i Arpaksada,

11 dia mbola velona dimanjato taona i Sema, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

12 Rehefa feno 35 taona i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela.

13 Taorian'ny nahaterahan'i Sela, dia mbola velona 403 taona i Arpaksada ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

14 Rehefa feno 30 taona i Sela, dia niteraka an'i Hebera.

15 Taorian'ny nahaterahan'i Hebera dia mbola velona 403 taona i Sela, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

16 Rehefa feno 34 taona i Hebera, dia niteraka an'i Pelega.

17 Taorian'ny nahaterahan'i Pelega, dia mbola velona 430 taona i Hebera, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

18 Rehefa feno 30 taona i Pelega dia niteraka an'i Reho.

19 Taorian'ny nahaterahan'i Reho dia mbola velona 209 taona i Pelega, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

20 Rehefa feno 32 taona i Reho, dia niteraka an'i Seroga.

21 Taorian'ny nahaterahan'i Seroga, dia mbola velona 207 taona i Reho, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

22 Rehefa feno 30 taona i Seroga, dia niteraka an'i Nahora.

23 Taorian'ny nahaterahan'i Nahora, dia mbola velona 200 taona i Seroga, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

24 Rehefa feno 29 taona i Nahora, dia niteraka an'i Tera.

25 Taorian'ny nahaterahan'i Tera, dia mbola velona 119 taona i Nahora, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy hafa koa.

26 Rehefa feno 70 taona i Tera, dia niteraka telo lahy dia i Abrama sy i Nahora ary i Harana.

27 Ireto avy no taranak'i Tera, rain'i Abrama sy i Nahora ary i Harana. I Harana dia niteraka an'i Lota,

28 ary maty tao amin'ny tany nahaterahany tao Ora any Babilonia izy fony fahavelon'i Tera rainy.

29 Nanambady an'i Saray i Abrama; ary i Nahora kosa nanambady an'i Milka zanakavavin'i Harana. I Harana koa no rain'i Milka sy i Jiska.

30 Ary i Saray dia tsy niteraka fa momba.

31 Ary nentin'i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lota zafikeliny sady zanakalahin'i Harana. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin'i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilonia ireo ka nankany amin'ny tany Kanahana. Tonga hatrany Harana  izy ary nonina tao.

32 Ary maty tao Harana i Tera, rehefa feno 205.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569