Genesỳ
Toko faha-12
1 Hoy ny TOMPO tamin'i Abrama: -Miala amin'ny taninao sy ny fianakavianao ary ny tranon-drainao ka mankanesa any amin'ny tany izay hasehoko anao.2 Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an'ny hafa ianao.
3 Hotahiko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin'ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
4 Dia nandeha araka izay nolazain'ny TOMPO taminy i Abrama, ary niaraka taminy koa i Lota. Tokony ho 75 taona i Abrama fony izy niala tany Harana.
5 Nalain'i Abrama i Saray vadiny sy i Lota zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin'ireo mpanompo rehetra novidiny tao Harana. Dia niainga izy ka nankany amin'ny tany Kanahana. Dia tonga tany Kanahana ry i Abrama mianakavy.
6 Ary i Abrama namakivaky ny tany hatrany amin'ny hazo oakan'i More, any Sekema. Ny Kanahanita no nipetraka tamin'iny faritra iny tamin'izany.
7 Niseho tamin'i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: Homeko ny taranakao ity tany ity. Dia nanorina alitara ho an'ny TOMPO i Abrama teo amin'io toerana izay nisehoan'ny TOMPO taminy io.
8 Avy eo izy dia niainga ho any amin'ny faritra be havoana any atsinanan'i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an'ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an'Andriamanitra hoe TOMPO.
9 Dia nandeha i Abrama ka nifindrafindra toby nihazo ny faritra atsimo.
10 Ary nisy mosary tao amin'ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.
11 Ary nony efa akaiky ho tonga tany Ejipta ry zareo, dia hoy i Abrama tamin'i Saray vadiny: -Etsy ange, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao.
12 Koa raha vao mahita anao ny Ejiptianina, dia hanao hoe io no vadiny; dia hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13 Koa aoka holazainao amin'ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!
14 Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan'ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.
15 Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin'ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan'ny Farao ilay ramatoa.
16 Noho ny aminy dia nasian'ny Farao soa i Abrama ka nomeny ondry aman'osy sy omby, mpanompo lahy sy vavy mbamin'ny boriky sy rameva.
17 Fa ny TOMPO namely loza goavana ny Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
18 Dia nampiantso an'i Abrama ny Farao ka nanao taminy hoe: -Inona ity nataonao tamiko? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19 Nahoana moa no nolazainao fa anabavinao izy, ka dia nalaiko ho vadiko? Izao ankehitriny izao, iny raiso ny vadinao ka mandehana!
20 Nobaikoin'ny Farao ireo mpanompony mba handefa an'i Abrama sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra.