Genesỳ

Toko faha-13

1 Avy any Ejipta i Abrama dia niverina nankany Negeva niaraka tamin'ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra. Niaraka taminy koa i Lota.

2 Nanan-karena tokoa i Abrama, fa nanana biby fiompy sy volafotsy ary volamena betsaka.

3 Nandeha izy nifindrafindra avy tao Negeva ka hatrany Betela, teo amin'ny toerana izay efa nitobiany tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy i Hay.

4 Ka dia tamin'ilay toerana nanorenan'i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an'Andriamanitra hoe TOMPO.

5 Ary i Lota izay niara-dia tamin'i Abrama koa dia nanana andian'omby aman'ondry sy tranolay maro.

6 Noho ny hamaroan'ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran'izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin'ny mpiandry biby fiompin'i Abrama sy ny an'i Lota.

8 Dia hoy i Abrama tamin'i Lota: -Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin'ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.

9 Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.

10 Dia nitazana i Lota ka nahatsinjo ny faritanin'i Jordana manontolo. Talohan'ny nandravan'ny TOMPO an'i Sodoma sy i Gomora, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsohara dia tahaka ny zaridainan'ny TOMPO, tahaka ny lohasahan'i Neily.

11 Koa nofidin'i Lota ho azy ny faritanin'i Jordana ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan'izy roa lahy.

12 I Abrama nipetraka tao amin'ny tany Kanahana, fa i Lota kosa nitoby tao amin'ireo tanana amin'ny faritanin'i Jordana ka nametraka ny lainy hatrany Sodoma.

13 Ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin'ny TOMPO.

14 Dia nitenenan'ny TOMPO i Abrama, rehefa avy nisaraka tamin'i Lota izy, ka nataony hoe: -Mitazana, avy eo amin'izay misy anao, ka mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana;

15 fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay ny tany manontolo izay tazanao.

16 Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan'ny olona manisa ny vovo-tany.

17 Miainga ka mandehana mamakivaky ny tany amin'ny sakany sy lavany, fa homeko anao izy.

18 Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin'ny hazo oakan'i Mamre, akaikin'i Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0657