Genesỳ
Toko faha-30
1 Ary rehefa hitan'i Rahely fa tsy niteraka izy, dia nialonany ny rahavaviny ka hoy izy tamin'i Jakoba hoe: -Mba omeo zanaka aho! Fa raha tsy izany, dia aleoko maty!2 Tezitra taminy i Jakoba ka namaly hoe: -Izaho angaha no solon'Andriamanitra Izay nisakana ny kibonao tsy hiteraka?
3 Fa hoy i Rahely taminy: -Io ary i Bileha mpanompovaviko; ndeha mandry aminy, dia hiteraka zaza hatsangako izy, ary hanan-janaka avy aminy aho.
4 Dia nomeny an'i Jakoba ny mpanompovaviny ho vadiny, ka dia nandry taminy izy.
5 Ary bevohoka i Bileha ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
6 Dia hoy i Rahely hoe: -Andriamanitra efa nanome rariny ahy ka nihaino ny fangatahako, ary nanome ahy zanakalahy. Dia nataony hoe Dana ny anarany.
7 Mbola bevohoka indray i Bileha ka niteraka zazalahy faharoa tamin'i Jakoba,
8 dia hoy i Rahely hoe: -Efa niady mafy tamin'ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
9 Ary nony hitan'i Lea fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpa mpanompovaviny ka nomeny hovadin'i Jakoba.
10 Ary i Zilpa niteraka zazalahy tamin'i Jakoba,
11 ka hoy i Lea hoe: -Manan-jara aho! Dia nataony hoe Gada ny anarany.
12 Fa mbola niteraka zazalahy faharoa tamin'i Jakoba i Zilpa,
13 ka hoy i Lea hoe: -Hasambarana tsy misy toy izany! Fa ankehitriny dia holazain'ny vehivavy hoe sambatra aho. Dia nataony hoe Asera no anarany.
14 Indray andro tamin'ny fotoam-pararano iny, dia nandeha nitsangatsangana tany an-tsaha i Reobena ary nahita mandragora. Nentiny tany amin'i Lea reniny izany, ka hoy i Rahely tamin'i Lea: -Mba omeo kely amin'ireo mandragoran'ny zanakao aho, azafady!
15 Fa novalian'i Lea hoe: -Moa tsy ampy anao ve ny nakanao ny vadiko ka tianao halaina koa ankehitriny ny mandragoran-janako? Dia hoy i Rahely hoe: -Aleo ary handry any aminao i Jakoba anio alina ho takalon'ny mandragoran-janakao.
16 Rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba ny hariva, dia nivoaka hitsena azy i Lea sady nanao taminy hoe: -Ato amiko no handrianao anio ho takalon'ny mandragoran-janako. Dia nandry tany aminy i Jakoba iny alina iny.
17 Ary nohenoin'Andriamanitra ny vavak'i Lea, ka bevohoka izy ary niteraka zazalahy fahadimy tamin'i Jakoba.
18 Dia hoy ny filazan'i Lea hoe: -Efa novalian'Andriamanitra soa aho satria efa nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko. Koa nataony hoe Jisakara ny anarany.
19 Ary mbola bevohoka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin'i Jakoba.
20 Dia nilaza izy hoe: -Efa nanome zava-tsoa ahy Andriamanitra; ary amin'ity indray mandeha ity dia hanaja ahy ny vadiko, satria efa niteraka enin-dahy ho azy aho. Dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21 Taorian'izany dia mbola niteraka zazavavy koa izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Rahely ka nihaino ny fangatahany, dia nampitoe-jaza azy.
23 Dia bevohoka i Rahely ary tera-dahy ka loa-bolana hoe: -Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, sady niteny izy hoe: -Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!
25 Rehefa avy niteraka an'i Josefa i Rahely, dia hoy i Jakoba tamin'i Labana: -Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.
26 Avelao hoentiko ireo vady aman-janako, izay antony nanompoako anao. Aoka aho handeha, satria efa fantatrao avokoa ireo asa efa nataoko ho anao!
27 Namaly azy i Labana hoe: -Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian'ny TOMPO ahy.
28 Koa lazao izay ho karamanao fa homeko!
29 Dia hoy i Jakoba taminy: -Ny tenanao mihitsy no nahalala ny nanompoako anao sy izay nanjarian'ny biby fiompinao noho ny amiko.
30 Ny fanananao izay kely talohan'ny niaviako dia nitombo be dia be teo ambany fitantanako, fa notahin'ny TOMPO ianao. Ary ankehitriny, tsy mba tokony hiasa ho an'ny ankohonako amin'izay ve aho?
31 Fa hoy indray i Labana hoe: -Inona no karama haloako aminao? Ka novalian'i Jakoba hoe: -Tsy misy haloanao amiko akory. Fa raha manaiky izao soso-kevitra izao ianao, dia hiverina hiandry sy hitandrina ny ondry aman'osinao aho.
32 Hisafo any amin'ny ondry aman'osinao rehetra aho anio, ka hanavaka ny ondry maramara sy sada na hoe vandambandana rehetra ary ny osy maramara sy sada rehetra: ireo no ho karamako.
33 Amin'ny andro ho avy, mba hizahanao ny fahamarinako, dia tongava hijery ny karamako, ka izay rehetra tsy misy sada na maramara ao amin'ny osy ary vandambandana ao amin'ny ondry dia biby nangalarina.
34 Ary hoy i Labana hoe: -Eny, ekeko ny soso-kevitra.
35 Ny androtr'iny ihany anefa dia efa navahan'i Labana ka natolony ho eo am-pelatanan'ny zanany ireo osilahy sadika sy sada sy ireo osivavy rehetra maramara sy sada ary ireo ondry vandambandana rehetra;
36 ary nasiany lalana tokony ho telo andro ny teo anelanelanan'ny zanany lahy sy i Jakoba. I Jakoba kosa dia niandry ny andiany sisa tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
37 Koa nalainy ny tsora-kazo maromaro tamin'ny hazo beravina sy ny hazo amandy ary ny hazo platana ka nataony vaofy vandana hisehoan'ny fotsy teo amin'ny tsora-kazo.
38 Napetrany tao amin'ny tavy fisotroan-drano ireny, teo anoloan'ireo biby izay maimay hikambana rehefa tonga hisotro rano.
39 Dia nikambana teo anoloan'ireo tsora-kazo ireo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy maramara ary sada.
40 Ary ireo ondry efa navahan'i Jakoba dia natodiny hijery ny sadika sy maramara rehetra teo amin'ny biby fiompin'i Labana. Natokan'i Jakoba ny ondry aman'osy ho an'ny tenany fa tsy navelany hifangaro tamin'ny an'i Labana.
41 Koa isaky ny hikambana ireo biby matanjaka, dia napetrak'i Jakoba tao amin'ny tavy fisotroan-drano ireny tsora-kazo ireny mba hikambanany eo anoloan'ny tsora-kazo.
42 Fa raha farofy kosa ireo biby, dia tsy mba napetrany teo ireny tsora-kazo ireny; ka dia ireo biby farofy no an'i Labana fa ireo matanjaka kosa no an'i Jakoba.
43 Ary nitombo harena fatratra i Jakoba ka nanana andian'ondry aman'osy be sy mpanompo vavy sy lahy maro ary rameva sy boriky betsaka.